"New World Order Bible Versions" full movie with Malagasy subtitles

Watch Video

October 30, 2015

Mino aho fa te-haka ny fiangonana hofeheziny ny devoly.

Mino aho fa te-haka an'ity fiangonana ity hofeheziny ny devolyÖ

Öolona iray isaka ny maka.

-Io anoloantsika io misy fanambinana tsara araraotina hanefena ho antsika sy

ho an'ireo taranaka ho avy lamina eran-tany vaovao iray.

-Hidio ny varavarankelinao.

Ndehana miverina ao an-tranonao.

-Ndehana miverina ao an-tranonao izao dia izao! -Ato an-tranoko aho.

-Tena manam-bintana tokoa isika amin'ity lamina eran-tany vaovao ity,Ö

Ölamina iray misy Firenena Mikambana ampingavavaÖ

-Öbala fingotra, taserÖ

-Öafaka mampiasa ny asa fampandriam-pahalemany hanatanterahany ny fampanantenana sy tanjon'ireoÖ

Öolona nanorina ny Firenena Mikambana.

-Taorian'ny nilazan'i Filoha Bush tamin'ny , ary fehezanteny ampiasaiko matetika ilay izy,

hoe isika dia mila lamina eran-tany vaovao.

Kanefa toa korontana be dia be no azontsika fa tsy izany.

-Hatry ny ela no niandry an'izao isika.

Noho ny nataontsika, amin'izao andro izao, amin'izao ora hanamarika ny tantara izao,

dia tonga eto Etazonia ny fiovana.

-Androany ny Filoha Obama sy ny Piraiminisitra Britanika Gordon

dia niantso lamina eran-tany vaovao hiadiana

amin'ny kirizy ara-toe-karena.

-Ny lahasa hentitrenterina ananantsika izao dia ny mamorona

lamina eran-tany vaovao.

-Ny lahasany dia ny hamolavola paikady faobe ho an'i Etazonia

amin'izao fotoana izay tena ahafahana mamorona lamina eran-tany vaovao izao.

Fanambinana tsara hararaotina io.

-Ianao niresaka ny momba ny Lamina Eran-tany Vaovao izay faritana, toy ny nataonao teo,

hoe losiferianina. -Eny.

-Ahoana no ahalalanao an'izany?

-Ny famotopotorana nataoko dia nahatonga ahy nijery ny ao ambadiky ny dolara amerikanina.

Ary nahita ireto kase hafahafa amin'ny dolara ireto aho. Ireto dia kasen'ny Illuminati

izay fiarahamonina miafina iray najoro tamin'ny ,

naorin'ny lehilahy iray antsoina hoe Adam Weishaupt.

Ary ao ambadiky ny dolara ito, hitanareo, misy kase amin'ny

sisiny havia ary misy maso iray anaty telozoro. Io dia mason'i Horus

amin'ny mitÙlÙjia ejipsianina, izay antsoina ankehitriny hoe mason'i Losifera na Satana.

Ireo teny roa eo ambony, "ANNUIT COEPTIS", dia midika hoe

"Manambara ny fahaterahan'ny",

ary eo amin'ny farany ambany "NOVUS ORDO SECLORUM".

-Ary ilay kase ben'i Etazonia dia misy soratra manao hoe

"NOVUS ORDO SECLORUM": Lamina Vaovao.

-Ary ny olona tokony hametraka ny fanontaniana hoe "Inona no ataon'ny piramida ejipsianina

ao ambadiky ny dolara Amerikanina?

Inona ny rohy ifandraisan'i Etazonia sy i Ejypta?"

Ny valiny dia ity: tsy misy mihitsy afa-tsy amin'ny sehatry ny maizina.

Ary, arak'izany, hitantsika fa planina losiferianina no atrehintsika eto

ary mila miaiky ny olona fa ny andriamanitry ny Franc-maÁonnerie dia hitondra an'izao tontolo izao

amin'io tanjona hafahafa sy miavaka io, izay antony nananganana an'i Etazonia,

dia ny hitarika ilay rafi-tontolo vaovao ho ao anatin'ny

fanjakana tokana eran-tany, fivavahana tokana eran-tany,

rafi-dal‡na tokana eran-tany, ary rafi-bola tokana eran-tany,

izay antsoin'ny Baiboly hoe mariky ny bibidia.

-Öary zavatra tsotsotra fantatsika araka ny zava-misy

fa hisy fanovana avy amin'ny lamina taloha,

ho amin'ny lamina vaovao, dia ny fanjakan'i Satana izy tenany.

Izay ny zava-fonosin'io eva io

ary izay ny zava-fonosin'ny Lamina Eran-tany Vaovao.

Ao amin'ny King James, hoy ny Korintiana : hoe "Koa raha misy olona

ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indro,

efa tonga vaovao ny zavatra rehetra." Mariho ny namadihan'ny New English Bible

an'io andininy io. Milaza io hoe "Efa lasa ny lamina taloha,

ary manomboka ny lamina vaovao." Mampiasa fiteny mitovy izy ireo.

Hoy ny Baiboly King James hoe "fa naman'ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina

sy ny fanasana samihafa, dia fitsipika araka ny nofo, voatendry hataony mandra-piaviníny

andro fanovana." miresaka ny fiavian'i Kristy. Saingy mariho

fa ny Baiboly NIV milaza an'io hoe "mandra-pahatonganíny fotoam-panitsiana voatondro."

Manomana ny olona ry zareo. Ka izao, tiako ho voamarikareo ity. Ao amin'ny Isaia :, hoy ny

Baiboly King James hoe "Noho izany, izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, mametraka

vato ho fanorenana ao Ziona Aho, dia vato voazaha toetra, vato fehizoro sarobidy,

fanorenana azo antoka". Miresaka an'i Jesosy io, azonareo? Ary tiako ho

voamarikareo fa ao amin'ny Baiboly King James dia milaza aminareo ry zareo fa Jesosy

dia vato fehizoro fanorenana. Ka izao, aiza ny fanorenana raha ampiraisina amin'ny

trano voaorina iray, any an-tampony sa any amin'ny fanambaniny?

Any amin'ny fanambaniny, sa tsy izany? Ekenareo?

Ka rehefa miteny ry zareo hoe Jesosy dia vato fehizoro fanorenana,

izany dia ety an-tany, azonareo?

"Koa sarobidy Izy ho anareo izay mino" -io no ao amin'ny Baiboly King James,

"fa aminíny tsy mankatÚ kosa: ny vato izay nolaviníny mpanao trano

no efa tonga fehizoro", io indray ilay hoe fehizoro.

Mariho fa ny Baiboly NIV miantso azy hoe vato manarona.

Milaza izy ireo fa io eva hitanareo io dia maneho an'i Kristy.

Tsy izay no izy; maneho an'iza io? Antikristy.

-Mivavaka aho, ry namako, na dia eo aza izany, mba hijanona amin'ity boky manan-danja ity ianareo,

ny Tenin'Andriamanitra. Ity tokoa no ilaintsika hianteherantsika.

Fohy ny fotoana. Misy fianjerana be lavitry ny marina:

Mitranga izany; tsy aiza fa eto amin'izao fotoana izao.

-Ny anarako dia Steven Anderson, pasiteran'ny Faithful Word Baptist Church [Fiangonana Batista Teny Mahatoky]

eto Tempe, Arizona. Ny Baiboly King James irery no arahin'ny fiangonanay;

maro ny olona tsy mahazo hoe nahoana. Nefa ny tanjon'ity horonantsary ity dia

ny hampisehoana ny fahasamihafana misy eo amin'ny Baiboly King James

sy ireo kinovan'ny Baiboly hafa rehetra.

-Ny anarako dia Roger Jimenez. Pasiteran'ny Verity Baptist Church [Fiangonana Batista Fahamarinna]

eto Sacramento, California, ary ny antony mahafaly ahy amin'ny fandraisako anjara amin'ity

horonantsary ity dia satria misy manafika ny Tenin'Andriamanitra amin'izao andro izao

ary mila mijoro miaro ny Baiboly isika amin'izay isika afaka mifanandrina

aminy amin'ny ady ara-panahy.

-Ny anarako dia Dennis McCain, pasiteran'ny Northside Baptist Church (Fiangonana Batista Ilany Avaratra)

eto Modesto, California. Enina ambifolo taona izay no nitondrako fiangonana teto

ary kely tsy ho efapolo taona izay no nanaovako asam-pinoana toa

mpanorina fiangonana vaovao.

-Ka izao, misy fandaharan'asa ankehitriny ary fandaharan'asa satanika hanova ny Baiboly.

Maro ny olona mihevitra fotsiny hoe "Eny, ny Baiboly King James dia

dikanteny tsara be; tena poetika io. Ary ireny kinovan'ny Baiboly hafa ireny dia

ambaniny. Angamba tsy dia voadika tsara izy ireny." Saingy eto aho

hilaza aminao fa lalina kokoa noho izany ny raharaha. Ireny kinovan'ny Baiboly vaovao ireny, raha ny marina,

dia fanandraman'i Satana handoto ny Tenin'Andriamanitra. Ary hasehoko anareo manaraka eo

fa tsy zava-nitranga tsy nahy fotsiny izany ireny fanovana ireny. Tsy fanovana madinika tsy misy

fiantraikany fotsiny izany ireny. Izany hoe, ireny fanovana ireny dia fanovana mifono paikady.

Entina hamelezana an-kolaka ireo foto-kevitra miavaka ampianarin'ny Baiboly izy ireny.

Milaza amintsika ny Baiboly ao amin'ny Efesiana : "Fa isika tsy mitolona amin'ny

nofo aman-dr‡, fa amin'ny fanapahana sy aminíny hery,

sy aminíny mpanjakaníny fahamaizinana eto amin' ity tany ity, ary amin'ny faharatsiana ara-panahy

eny amin' ny toerana avo." Maro ireo olona manam-bola

an-tapitrisa sy an-davitrisa dolara mihitsy aza manana fandaharan'asa hamoaka

Baiboly nolotoina sy hivarotra azy amin'ny al‡lan'ny dokambarotra,

hivarotra azy amin'ny al‡lan'ireo mpaninjara izay hametraka azy amin'ny toerana talaky maso

sy hampiseho azy amin'ny olona hoe "Ity ny Baiboly tokony ho vakinao.

Ario ilay Baiboly King James. Vidio ity kinovan'ny Baiboly nohatsaraina, vaovao sy tsara kokoa ity."

Ka izao, nanao fikarohana aho hoe iza avy ireo kinova malaza indrindra ankehitriny.

Ity ny lisitra vao haingana indrindra. Nozahako tamin'ny loharanom-baovao maro isan-karazany izy ity

ary izy rehetra dia samy nitanisa Baiboly miisa dimy mitovy. Ny Baiboly laharana voalohany

ankehitriny dia tsy ny Baiboly King James, fa ilay New International Version:

ny NIV. Ny laharana faharoa dia ny Baiboly King James. Ny laharana fahatelo dia

ny Nev Living Translation. Ny laharana fahefatra dia ny New King James, ary

ny laharana fahadimy dia ny English Standard Version na ESV. Ireo lisitra hafa nozahako

dia manana an'ireo amin'ny filaharana somary hafa, saingy manana an'ireo dimy ireo koa izy rehetra.

-Ny ankamaroan'ny olona dia tsy mahalala fa misy dikantenin'ny Baiboly an-jatony, ary

mazava ho azy fa tsy manam-potoana hijerena an'ireo tsirairay isika.

-Misy dikany kokoa angamba raha ny mifantoka amin'ireo fandotoana efatra

malaza indrindra irery no atao. Ny NIV dia tsy ampy andininy enina ambifolo manontolo

avy amin'ny Testamenta Taloha. Izany hoe, vao mivoaka ny vavahady, alohan'ny iresahantsika

ireo fanovana an'arivony rehetra, andininy enina ambifolo no nanjavona tanteraka, io ihany aloha.

Matio :, nanjavona. Matio :, nanjavona. Asan'ny Apostoly :, io andininy io dia

nanjavona tao amin'ny NIV, nanjavona tao amin'ny ESV, nanjavona to amin'ny NLTÖ

-Nanjavona tanteraka!

Asan'ny Apostoly :, Baiboly King James: "Ary raha nandeha tamin'ny l‡lany izy,

dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay ionoka: Indro rano,

ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?" Dia hoy Filipo", ilay mpanarato olona,

"Raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany."

Ary hoy ilay ionoka, ilay mpanota, "Indro rano, ka inona moa no

misakana ahy tsy hatao batisa?" Dia hoy Filipo", ilay mpanarato olona,

"raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany."

Ary namaly izy" (ilay ionoka) "ka nanao hoe: Mino aho fa Jesosy Kristy

no Zanak'Andriamanitra." Inona no nitranga tamin'ilay ionoka teo? Voavonjy izy.

Nahoana? Raha manaiky an'i Jesosy Tompo amin'ny vavantsika isika ary mino amin'ny

fontsika fa nanangana azy tamin'ny maty Andriamanitra, mba ho voavonjy ianao.

Nino tamin'ny fony izy. Nanaiky tamin'ny vavany izy. Ka dia voavonjy izy.

Ka inona no nataon'izy ireo? Andininy :

"Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina

ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy."

Ka ny andininy : ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?

Andininy : raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany.

Nanaiky tamin'ny vavany izy, nino tamin'ny fony izy;

Andininy : dia nataon'izy ireo batisa izy. Amen.

Inona no lazain'ny New International Version?

"Ary raha teny an-dalana izy ireo, dia tonga teo aminíizay nisy rano, ka hoy ilay tandapa:

ìIo misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?

Dia nasainy najanona ilay kalesy, ary nidina tao anaty rano i Filipo sy ilay tandapa,

ka nataoníi Filipo batisa izy." Izao ary, arakareo ve hoe inona

no nitranga teo? Inona no tsy ao?

Tsy fantatro raha voamarikareo. Tsy ao ny andininy iray manontolo.

Ka araka ny New International Version, nidina nanaraka ny l‡lana izy ireo.

Hoy izy: "ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?"

Araka ny Baiboly NIV, tsy misy! Andao fotsiny hatao batisa ianao.

Inona no tsy ao? Minoa an'i Jesosy Kristy!

Inona no tsy ao? Ny Filazantsara.

Inona no tsy ao? Nahoana no mamely an'i Jesosy Kristy ireny Baiboly ireny?

Tena tsy hitako izay dikany.

Saingy mety hisy dikany io raha azonao an-tsaina fa i Satana no ao ambadik'io.

-Fa tsy vitan'ny hoe nanala andininy enina ambifolo manontolo tao amin'ny NIV izy ireo,

fa mbola nametraka ihany koa fanamarihana amin'ny andininy hafa milaza fa ireo andininy ireo dia mety tsy tao amin'ny

Baiboly voalohany, io indray fa hozongozoniny ny finoana ny Tenin'Andiamanitra.

Ireo andininy toy ny Marka :. "Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara

amin'ny olombelona rehetra." Ireo andininy toy ny "Raiko Ù, mamel‡ ny helony, fa tsy fantany

izay ataony." Tsy nesorin-dry zareo ireo andininy ireo, fa nasian'izy ireo fanamarihana

eo akaikiny izay mahatonga ny mpamaky hihevitra azy ireo ho zava-poana ka hilaza izy hoe

"Eny, sady tsy tao amin'ny Baiboly voalohany rahateo ireo. Tsy tena manana

fahefana rahateo ireo." Mino isika fa Jesosy Kristy dia Andriamanitra tonga nofo.

Io no zavatra ovain'ireny kinova maoderina ireny sy kianiny tsy tapaka.

Mamel‡ ahy hanome anareo ohatra vitsivitsy. Jaona :; " Fa misy telo izay mitondra fanambarana any an-danitra,

dia ny Ray, ny Teny ary ny Fanahy Masina:

ary izy telo ireo dia iray." Ary io no nahazoantsika ilay teny hoe "trinite".

Telo izay iray.

"Izy telo ireo dia iray."

Ny NIV, etsy ankilany, dia mlaza fotsiny hoe: "Koa misy vavolombelona telo ‡ry".

Tsy milaza hoe ny Ray, tsy milaza hoe ny Teny, tsy milaza hoe

ny Fanahy Masina, ary tsy milaza hoe izy telo dia iray.

Jereo ny nanaovan-dry zareo ny Timoty :. Hoy ny Baiboly "Ary tsy iadian-kevitra

fa lehibe ny zava-miafin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra:" Jereo ity

naseho teo aminíny nofo Andriamanitra, nohamarinina tao aminíny Fanahy, hitaníny anjely, notorina tany aminíny

Jentilisa, ninoana teny aminíizao tontolo izao, nakarina ho any aminíny voninahitra."

Andriamanitra no ninoana teny amin'izao tontolo izao, Andriamanitra no nakarina ho any

aminíny voninahitra, Andriamanitra no naseho teo amin'ny nofo sy niara-nonina tamintsika, ary ny

Baiboly dia mazava ny lazainy ao amin'ny Timoty : fa Jesosy Kristy dia Andrimanitra.

-Ao amin'ny Timoty :, andalana manan-danja io satria fanaoko matetika ny mamaky

ireo antongom-pejy amin'ny Baiboly New American Standard izay nananako tany amin'ny seminera

avy eo ao amin'ny NIV, ary ireo andalana hafa, ary milaza izy ireo

ao amin'ireo antongom-pejy, na amin'ny tsikerany, na amin'ireny fampianarana

avy amin'ny NIV na ny Baiboly New American Standard, milaza izy ireo fa

tsy misy fahasamihafany eo amin'ny teÙlÙjia. tsy misy fiantraikany amin'ny foto-kevitra io.

Saingy mibaribary fa misy fahasamihafana eo amin'ny "hos" sy ny "Theós".

Raha raisinao hoe "izy izay nisy, 'hos'" io, fa tsy hoe "Theós", dia raha tokony hidika hoe

Andriamanitra io dia lasa manalefaka ny lahatsoratra satria mila ataonao petrakevitra fa

Kristy dia Andriamanitra, na naseho teo amin'ny nofo. Saingy amin'ny "Theós", dia tsy isalasalana ny momba

ny lazain'ilay lahatsoratra. Io dia Andriamanitra naseho teo amin'ny nofo, ary

izany dia tsy iza fa ilay olona atao hoe Kristy, ary tsy lavina fa izany dia mitaona ny olona

hieritreritra ny toetra maha-Andriamanitra an'i Jesosy Tompo. -Marina izany.

-Porofo iray hafa lehibe momba ny maha-Andriamanitra an'i Jesosy Kristy ny Hebreo :.

"Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra Ù, dia mandrakizay doria"

Ka inona no antsoin'ny Baiboly hoe ny Zanaka eto?

Miantso azy Andriamanitra io. Milaza io hoe "ny ZanakaÖ nilazany hoe: Ny seza fiandriananao, Andriamanitra Ù,

dia mandrakizay doria." Henoy ny lazain'ny NIV.

"Fa hoy kosa izy ny aminíny ZanakaÖ"

-Vao haingana izay no niresahako tamin'ny Vavolombelon'i Jehovah iray tao amin'ny garan-damasinina.

-Hitsena ny vadiko no nandehanako tany. Ary nanomboka namaky teny ho ahy ilay Vavolombelon'i Jehovah

nampiasa bokim-panompoana iray teny aminy, saingy hitako fa Baiboly New World Translation ilay izy.

Ka hoy aho "Eny, ny New World Translation ve avy amin'ilay Baiboly Grika?"

"Avy amin'ny Testamenta Vaovao Grika nataon'i Westcott sy Hort ity", hoy izy.

"Marina ve io?", hoy aho.

"Mazava ho azy", hoy izy.

"Nanana ilay Baiboly Grika ve ianareo?, hoy aho. "Tsia", hoy izy.

Hoy aho "Inona no ataonao raha Jehovah izy tenany niteny tamin'i Jesosy ary niantso

azy Andriamanitra?" "Tsy nisy velively izany", hoy izy.

Ka notsongaiko ho azy ny Hebreo :. "Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe:

"Ny seza fiandriananao, Andriamanitra Ù, dia mandrakizay doria".

Sadaikatra sy tezitra izy ka noraisiny ireo harony ary nivoaka ny varavarana izy

ary nanaraka azy nivoaka ny varavarana aho niresaka taminy. Fa taty aoriana rehefa namaky an'io tao amin'ny

New World Translation aho, dia niova tanteraka io:

-Kanefa ao amin'ny Baiboly King James, sarotra ny tsy hahazoanao ny dikany. Fa tsy izany ihany fa

kianin'izy ireo koa ilay hoe nateraka vehivavy virijiny i Kristy. Jereo ao amin'ny Lioka :.

Hoy ny Baiboly "Dia gaga Josefa sy ny reniny

noho ny teny nilazana Azy."

Ny NIV, etsy an-kilany, ary ny ESV, ary ny New Living Translation dia

milaza hoe "Nahagaga aníireo ray aman-dreniny foana izay teny nolazaina momba aníilay zaza."

Ka hitantsika io fa ny NIV sy ireny kinova maoderina hafa ireny dia miantso

an'i Josefa hoe rain'i Jesosy Kristy, ny Baiboly King James dia

mitandrina tsara tsy hanao an'izany.

-Rain'i Jesosy Kristy ve i Josefa? Tsia, tsy rainy izy.

Raikelin'i Jesosy Kristy izy. Homeko anao ny momba an'izay.

Fa tsy rain'i Jesosy Kristy izy.

-Raha ny marina, ao afara ao amin'ity antoko ity ihany, i Maria miantso an'i Josefa hoe rain'i Jesosy

ary Izy nanitsy azy teo noho eo. Milaza io hoe: "Ary raha nahita Azy izy ireo, dia talanjona

ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao izany taminay Ianao?

He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao."

Ka moa ve Maria tsy niantso an'i Josefa hoe rain'i Jesosy teo? Jereo ny fomba

nanitsian'i Jesosy an-dreniny teo noho eo. "Fa hoy Izy taminy:

Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy

ho amin'ny raharahan'ny Raiko Aho?" Hoy izy hoe: "Jereo fa eo am-panaovana

ny raharahan'ny Raiko Aho rehefa mitory ny Tenin'Andriamanitra satria Josefa

tsy raiko. Andriamanitra Ray no Raiko."

Ny olona mino ny NIV dia tena jamba, raha ny marina, dia efa sendra azy ireo aho

nampiseho ahy an'ity ary nilaza hoe: "Hitanao? Io ny Baiboly milaza fa

Josefa dia rain'i Jesosy." Tsia, i Maria no niantso an'i Josefa

hoe rain'i Jesosy ary notoherin'i Jesosy teo noho eo izy ary mila misy olona

manohitra ny NIV. Ny olona sasany mila manitsy ny New Living Translation.

Mila misy olona manitsy ny ESV sy miteny hoe: "Aoka kely. Diso ianao.

Tsy rain'i Jesosy izany io. Ny Rain'i Jesosy dia Andriamanitra Ray."

Miteny ianao hoe "Mora kokoa fotsiny ny mahazo azy ireo. Izao izany,

Tsy dia misy fiantraikany amin'ny tsangan-kevitra ireo fanovana."

Tsangan-kevitra somary manan-danja ihany ireny, sa tsy izany?

Ny maha-Andriamanitra an'i Kristy, ny maha-nateraka vehivavy virijiny Azy.

Tsy vitan'izany; kianin'izy ireo koa ny fisiany hatrizay taloha. Hitanareo, tsy tao amin'ilay

fihinanam-bilona tao Betlehema akory vao nisy i Jesosy Kristy. Tsy tao

am-bohok'i Maria akory vao nisy i Jesosy Kristy. Fa efa nisy hatrizay i Kristy ary

hisy mandrakizay. Izy no voalohany sy farany, Izy no Alpha sy Omega,

Izy no fiandohana sy fiafarana, ary izany dia zava-dehibe amin'ny maha-Andriamanitra Azy.

Raha zavaboary nohariana Izy, dia tsy mety ho Andriamanitra.

Hoy ny Baiboly ao amin'ny Mika : "Fa, ianao, ry Betlehema Efrata,

na dia kely tsy tokony ho isan'ny arivon'ny Joda akory ianao, dia

avy aminao no hivoahan'izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely;

hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay." - jereo ity: "hatry ny fahagola".

Ka eto ao amin'ny Mika :, ny Baiboly miteny amintsika hoe Jesosy Kristy dia "hatry ny fahagola."

Ireo dia teny roa tena mafonja satria miresaka ny fisian'i

Jesosy Kristy hatrizay taloha. Tsy nanana fiandohana Izy. Tsy zavaboary nohariana Izy.

Tany am-piandohana ny Teny, ary ny Teny tao amin' Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. [Jaona :]

Ka izao, "hatry ny fahagola" dia midika hoe mitohy mandrakizay; maharitra mandrakizay.

Ka "hatry ny fahagola" dia zavatra izay hatramin'ny lasa hatrizay

na zavatra hatramin'ny lasa tsy manam-petra, zavatra izay

nisy foana. Henoy ny NIV:

"Fa, ianao, ry Betlehema Efrata, na dia kely tsy tokony ho isan' ny arivon' ny Joda akory ianao,

dia avy aminao no hivoahan' izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin' ny Isiraely;

hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay."

Ka izao, inona no atao hoe fiaviana?

Izany dia rehefa manomboka misy ny zavatra iray, tsy izany?

Rehefa miandoha ny zavatra iray, izany dia rehefa manomboka misy izy.

Jereo, moa ve Jesosy nanomboka nisy tamin'ny fotoana iray?

Tsia, hatry ny fahagola izy ao amin'ny Baiboly King James.

Saingy araka ny NIV, manana fiaviana Izy.

Raha nanana fiaviana i Jesosy Kristy, dia tsy Andriamanitra Izy, satria Andriamanitra

dia Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy. [Apokalypsy :]

Nisy foana Andriamanitra.

Tsy zavaboary nohariana Andriamanitra.

Saingy eto no tena alefan'ny NIV amin'izao fotsiny ny coup de gr‚ce:

-Izao no voalazan'ny Isaia :: "Endrey! latsaka avy any

an-danitra, ianao, ry Losifera"Ö

-Toerana iray ihany ao amin'ny Baiboly manontolo no ahitanao ny teny hoe "Losifera". Indray mandeha.

Eto isika, raha ny marina, manome anarana amin'i Satana, miantso azy hoe Losifera,

ary raha toa ka mila mandeha eny an-d‡lana isika ary manontany fotsiny ny olona hoe "Iza i Losifera?

Inona i Losifera?" Hilaza izy ireo hoe: "Izy no Satana; izy no devoly."

Fantatrao ve hoe iza i Losifera?

-Anjely iray izay napotraka avy any an-danitra, i Satana.

-Satana.

-Satana izany.

-Ny devoly izany.

-Ny devoly.

-Izy no Satana.

-Satana.

-Satana.

-Ny devoly.

-Ny devoly.

-Ny devoly.

-Eny ary, iza i Losifera?

-Ny devoly

-Fanontaniana mora valina izany; fantatro. Mety tsara.

-Satana. Yeah.

-Ny fomba tokana ahafantarantsika sy ianao fa Losifera ny anaran'i Satana

dia ny Isaia :.

"Endrey! latsaka avy any an-danitra, ianao, ry Losifera" - ka izao, tiako ho voamarikareo ity,

io dia manome antsika ny anarany sy manome antsika ny anaran-kajany. -"Endrey, ry Losifera, zanaky ny maraina!"

Ka inona ny anaran-kajan'i Losifera? "Zanaky ny maraina", azonareo?

Ny Apokalypsy toko , andininy ; Hoy ny Baiboly King James:

"Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho aníny fiangonana.

Izaho" - Jesosy no miteny eto - "Izaho no Solofo sy taranakíi Davida,"

- Jesosy no miteny eto - "ny kintana mamirapiratra fitarik'andro."

Hitanareo io?

Inona no niantsoan'i Jesosy ny tenany? Ny kintana fitarik'andro.

Anaran-kajany io.

-Ka samy milaza ny Baiboly King James sy ny NIV ao amin'ny Apokalypsy : fa

Jesosy Kristy dia kintan'ny maraina.

-Inona no iantsoan'ny NIV an'i Losifera latsaka avy any an-danitra?

-"Oadray! Nianjera avy any an-danitra angaha izato ianao, ry ilay mamirapiratra, zanaky ny maraina!"

Ka raha tokony Losifera no voaroaka avy any an-danitra ao amin'i Isaia :, milaza kosa ny NIV

fa i Jesosy no voaroaka avy an-danitra.

Jereo ary, ny Baiboly nilaza amintsika fa Losifera na Satana dia voaroaka avy any

an-danitra noho ny faniriany ho tahaka ilay Avo Indrindra, ny faniriany ho toa an'Andrimanitra.

Jereo, ny NIV, aorian'ny nanakianany ny maha-Andriamanitra an'i Kristy, aorian'ny nanakianany

ny nisiany hatrizay taloha, aorian'ny nanakianany ny maha-nateraka vehivavy virijiny Izy, fa

tsy manam-piandohana Izy, fa tsy manam-piafarana Izy, fa Andriamanitra tonga nofo Izy,

dia miampanga azy ankehitriny hoe te-ho tahaka ilay Avo Indrindra io. Izy no ilay Avo Indrindra!

-Araka ny NIV, i Jesosy no nilatsaka avy an-danitra, fa tsy i Losifera!

-Ny olona ao ambadik'ireo andininy ireo dia i Satana. Satana dia naniry

handoto ny Teny tao amin'ny sahan'i Edena

fa fantatsika ny hafetseny. [ Korintiana :]

Hitanareo, ny Tenin'Andriamanitra dia manan-kery lehibe.

Mivaky toa izao ny Baiboly ao amin'ny Hebreo :: "Fa velona sy mahery ny teniníAndriamanitra

ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatraminíny

fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka,

ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fikasaníny fo."

Fantatry ny devoly fa raha afaka manala ny fitaovam-piadiantsika Kristianina teny an-t‡nantsika izy, dia haharesy antsika.

-Ny tanjona amin'izao sy hatrizay dia ny hanala ny fitaovam-piadiantsika teny an-t‡nantsika.

Jereo ny tantara. Rehefa te-handresy ny vondron'olona iray ireo lehilahy ratsy, fantatrareo ve hoe

inona ny mialoha ilay fandresena? Esoriny tamin'ireo olona ny fitaovam-piadian'izy ireo.

Jereo, ny fanjakana manandrana milaza amintsika: "Tianay hesorina aminareo ny fitaovam-piadianareo

satria hiaro anareo izahay"

Hitanareo, raha te-haka ny fitaovam-piadianareo eny an-t‡nanareo ny olona iray, dia tsy manandrana ny

hiaro anareo izy; fa manandrana maka antoka fa rehefa hanenjika anareo izy avy eo,

tsy ho afaka hamaly ianareo.

Tamin'ny , ny Firaisana Sovietika dia nampihatra famerana basy. Teo anelanelan'ny sy ,

mpanohitra politika tapitrisa no maty novonoina.

Tamin'ny , nampihatra famerana basy i Alemaina, nanomboka nanala fitaovam-piadiana tamin'ny vahoakany.

Teo anelanelan'ny sy , Jiosy sy olona hafa miisa tapitrisa no maty novonoina.

Tamin'ny , nampihatra famerana basy i Sina ary nanomboka nanala fitaovam-piadiana tamin'ny vahoakany.

Teo anelanelan'ny sy ,

mpanohitra politika miisa tapitrisa no maty novonoina tao Sina.

Tamin'ny , nampihatra famerana basy i Ogand‡ ary nanomboka nanala fitaovam-piadiana tamin'ny vahoakany.

Teo anelanelan'ny sy - raiso an-tsaina ity - Kristianina . no maty novonoina.

Tamin'ny , nampihatra famerana basy i KambÙjy ary nanomboka nanala fitaovam-piadiana tamin'ny vahoakany.

Teo anelanelan'ny sy , KambÙjiana tapitrisa no maty novonoina.

Izao no mila takatrareo: manandrana tsy tapaka ny maka ny fitaovam-piadianareo teny an-t‡nanareo ny fahavalo,

tsy ny hiaro anareo ny tanjony, fa amin'izay ianareo tsy afaka miaro tena.

-Ireo mpanao didy jadona dia manala foana ny fitaovam-piadian'ny mponina amin'izay izy ireo tsy manam-piarovana

sy azony andevozina. Mahalala ireo fanjakana fa, raha afaka manala ny fitaovam-piadian'ny vahoaka teny an-t‡nany izy,

dia tsy hanam-piarovana hanoherany ny didy jadony ireo vahoaka.

-Inona hozy ianao? Misy fanafihana ny Tenin'Andriamanitra ve ankehitriny?

Mazava ho azy fa misy izany. Satria raha toa i Satana ka afaka manala teny an-t‡nanao ny zavatra tokana

hany anananao hamelezana azy, ny zavatra tokana hany anananao ahafahanao mifanandrina aminy,

raha afaka manala ny fitaovam-piadianao izy, dia haza mora azo ianao.

-Tsy misy tian'ny devoly mihoatra ny maka ilay sabatra roa lela lazain'ny

Baiboly King James teny an-t‡nantsika sy manolo azy amin'ny antsin-dibera

antsoina hoe NIV,

manolo azy amin'ny antsin-dibera antsoina hoe ESV,

manolo azy amin'ny antsin-dibera antsoina hoe New King James.

Tsy tiany hanana fitaovam-piadiana isika. Tsy tiany ho afaka miady amin'ireo

mpanjakan'ny haizin'izao tontolo izao isika.

Tesaloniana , andininy faha- mivaky toa izao: "Aza mety hofitahiníolona akory ianareo;

fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana,

ka hiseho ilay lehilahiníota, dia ilay zanaky ny fahaverezana".

Ka ny Baiboly milaza amintsika faÖ

-Alohan'ny hahatongavan'ny antikristy, alohan'ny hahatongavan'ny fanjakana tokana,

alohan'ny hahatongavan'ny Lamina Eran-tany Vaovao, dia mila misy fihemorana aloha.

Inona no atao hoe fihemorana? Fikomiana amin'Andriamanitra.

-Ary mino aho fa ireny kinovan'ny Baiboly maoderina ireny no lakilen'ny fikasan'ny devoly

hanokafana fivavahana tokana eran-tany, fanjakana tokana eran-tany, Lamina Eran-tany Vaovao iray.

Milaza amintsika ny Baiboly hoe alohan'ny fiavian'i Kristy fanindroany dia hisy

fihemorana, ny "fikomiana amin'Andriamanitra". Ilay fihemorana lehibe alohan'ny hiavian'i Kristy

fanindroany dia ho toy ny vokatr'ireny kinovan'ny Baiboly diso, mandainga, maoderina ireny

izay manolakolaka sy manova ny Tenin'Andriamanitra

ary manova ireo tsanga-kevitr'i Kristy.

-Izany hoe, asian'izy ireo zavatra diso ao amin'ny Baiboly, avy eo ny olona misalasala tsy matoky

ny Baiboly, tsy matoky an'Andriamanitra, mino ny fivoaran'ny zavaboary,

mino an'ireny zavatra rehetra ireny izy ireo. Ny hany ataon'io dia ny manandratra fanjakana

tokana eran-tany. Nahoana? Satria manandratra fihemorana io.

-Ary ny mahaliana dia ny olona matetika, rehefa miresaka ilay fanjakana

tokana eran-tany, na fivavahana tokana eran-tany izay efa ho tonga, dia miantso azy hoe

Lamina Eran-tany Vaovao. Azonareo? Iza no efa naheno an'io voambolana io:

ny "Lamina Eran-tany Vaovao"?

-Hevitra lehibe io, lamina eran-tany vaovao iray.

-Fanaon-dry zareo ny misosososo mankao an-tranon'olona milahatra amin'ny fiaro 'blindÈ', ny basy vonona hampiasaina.

-Lamina eran-tany vaovao izanyÖ

-Isika dia mila manome azy ireo izay ahafahany mamorona ilay karazana lamina eran-tany

izay heveriko fa tiantsika rehetra ho hita.

-Moa ve be fanantenana ianao fa mety hisy ny rafitra eran-tany, araka ny rentsika hatreto?

-Mety hisy izany, ary raha ny marina, dia efa eo an-d‡lana hisy izanyÖ

-Ny olona ao ambadik'io fanekem-pihavanana io dia maniry izany fanjakana tokana eran-tany izany

ary ao an-tsain'izy ireo, ity dia dingana iray mankamin'izany.

-Moa ve ny tianao hotenenina hoe mametra ny bala, mametra ny isan'izay misy, ary amin'ny farany,

mifehy ny tsena?

-Amin'ny farany, mifehy antsika rehetra.

-Ity no mahaliana. Fantatrao ve fa mampiasa ny voambolana "lamina vaovao" ny NIV

momba ny fiavian'i Kristy?

Ao amin'ny Baiboly King James, Hebreo : mivaky toa izao: "Fa namaníny zavatra hohanina

sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samihafa, dia fitsipika araka ny nofo, voatendry hataony

mandra-piaviníny andro fanovana."

Izao ary, io dia miresaka zavatra efa nitranga tany aloha, azonareo?

-Ny andro fanovana dia entina ilazana ny fiavian'i Jesosy Kristy.

Ka izao mila takatrao ity. Io dia entina ilazana ny niavian'i

Jesosy Kristy voalohany. Efa tsy manao ny zavatra hohanina, ny zavatra hosotroina, ny fanasana samihafa

sy ny fitsipika araka ny nofo intsony isika. Efa tsy manao an'izany intsony isika. Nahoana? Satria efa tonga teo ny

fotoam-panovana. Efa tonga teto i Jesosy Kristy Tompo.

-Henoy ny NIV: "Ny lal‡na no nitaky ireny zavatra momba ny nofo ireny, ary tsy maintsy notandremana ireny mandra-pahatonganíny

fotoam-panitsiana voatondro." Ary avy eo raha mamaky ny andininy amin'ny NIV ianareo, dia ataon-dry zareo

toy ny zavatra mbola ho avy izany.

Ny lamina vaovao dia tsy ny fiavian'i Kristy voalohany fotsiny,

fa ny fiavian'i Kristy faharoa no lazaina amin'ny hoe lamina vaovao.

Dia avy ny Baiboly Good News Translation ary milaza hoe:

"Ireny dia ireo fitsipika ivelany rehetra, izay tsy maintsy tandremana mandra-pahatonganíny fotoana

hametrahan'Andriamanitra ny lamina vaovao."

Ny Baiboly New English Translation koa miantso azy hoe lamina vaovao.

Ny Baiboly Anglisy Iombonana koa miantso azy hoe lamina vaovao.

Ilay Baiboly be mpividy indrindra eto Etazonia amin'izao fotoana koa

miantso ny fiavian'i Kristy hoe lamina vaovao.

-Vinanio ange. Tamy ny antikristy ary rehefa tonga izy dia izay

ilay fotoan'ny lamina vaovao.

Saingy tsy izany no lazain'ny Hebreo.

-Ireny Baiboly vaovao ireny dia misy zavatra betsaka manimba ny faminanian'ny Baiboly momba ny farandro

mba hanomanany ny olona hanaiky ilay antikristy, mba hanomanany ny olona

ho voasintona ao anatin'io Lamina Eran-tany Vaovao io, mba hanomanany ny olona ho

voafitak'ity fanjakana tokana eran-tany, fivavahana tokana eran-tany, rafitra tokana eran-tany

an'ny antikirsty ity, ary handray ny mariky ny bibidia.

-Mitenena hoe "Pasitera Jimenez, ho lasa mino an'ireny tsikombakomba ireny ianao.

Mino ny Lamina Eran-tany Vaovao ve ianao?"

-Heverinareo fa adala ny mieritreritra fa misy tompona banky sy olona any ho any

manandrana mampiditra fanjakana tokana eran-tany?

Tsy haiko na efa namaky ny Apokalypsy ianareo, fa ny Baiboly dia milaza amintsika

fa ny antikristy dia hampiditra fanjakana tokana eran-tany.

Ny Baiboly dia milaza amintsika fa ny antikristy dia hampiditra fivavahana tokana eran-tany.

Heveriko fa tsy sarotra takarina izany hoe ny olona miteny hoe:

"Andray, ireo tompona banky mampiditra lamina eran-tany vaovao

misy fanjakana tokana eran-any."

Mety mihevitra izao ry zareo - fantatrareo ry zalahy mpahita teÙrian-tsikombakomba ireny - mety mihevitra ry zareo hoe

"An an an, tompona banky fotsiny ireo; izao fotsiny io."

Nefa fantatsika ao amin'ny Baiboly fa ny antikristy

dia mampiditra an'izany zavatra izany mihitsy.

Izay no lazain'ny Baiboly.

Hatrany an-tsahan'i Edena dia nisy famelezana ny Tenin'Andriamanitra.

Na talohan'ny nahavitan'ny fanoratana ny Baiboly aza, dia nisy

famelezana ny Tenin'Andriamanitra, ary heverinareo fa hafa ny zavatra miseho ankehitriny?

Tsia ny valiny.

Mila takatrareo ity. Misy mamely ny Tenin'Andriamanitra amin'izao.

Ireo kinovan'ny Baiboly maoderina dia hita mazava fa tsy mitovy amin'ny Baiboly King James

ary ianareo mila manontany ny tenanareo ity fanontaniana ity: nahoana?

Mba hahazoanareo ilay fahasamihafana dia mila azonareo ny tantaran'ny

Baiboly Anglisy.

Hay misy tranom-bakoky ny Baiboly tsy aiza fa eto Phoenix izay manana ny iray amin'ireo

firaketana lehibe indrindra misy Baiboly Anglisy tsy fahita firy eto an-tany, ary ny talen'ny tranom-bakoka

Joel Lampe dia hamela antsika hijery marina ireo fanontana voalohan'ny

Baiboly niavian'ny dikantenin'ny King James ary ilay Baiboly King James izy tenany.

Hanazava amintsika ny tantaran'ny Baiboly King James izy.

Hitarika antsika izy hijery azy manontolo manomboka amin'ny Testamenta Vaovao Grikan'i Erasmus,

ilay Textus Receptus voalohany,

ary hitondra antsika hitety ny tantaran'ireny Baiboly Anglisy rehetra ireny izy

ka hatramin'ny Kinovan'ny King James.

Ka ndao ary atomboka amin'i Erasmus.

-Io hitanao eto ambonin'ny latabatra io, pasitera, raha atao bango tokana, ny tantaran'ny

Baiboly King James.

Ka izao, tadidio fa ity Baiboly King James ity dia natao pirinty tamin'ny taona ary misy

fiheveran-diso iraisana fa hoe ity no Baiboly Anglisy voalohany.

Tsia, tsy izany. Nisy Baiboly Anglisy hafa maro be talohan'ny

ary ny hitanao eto dia manomboka amin'ilay Baiboly Grika voalohany, araka ny voalazanao teo,

Textus Receptus, nataon'i Erasmus avy any Rotterdam.

Io dia nanova tanteraka ny zava-drehetra tsy araka ny fantatsika ankehitriny amin'ny tantaran'ny fiangonana

ary koa amin'ny tantaran'ny laika.

Testamenta Vaovao Grika/Latinan'i Erasmus avy any Rotterdam no iantsoana an'io.

Eny, andao hantsointsika araka ny maha-izy azy i Erasmus:

ilay lehilahy mahira-tsaina indrindra amin'ny rehetra nisy hatrizay, tsy misy idiran'ny maha-Andriamanitra. Jesosy, mazava ho azy,

dia lehilahy mahira-tsaina indrindra amin'ny rehetra nisy hatrizay. Salomona koa dia anisany, saingy

ankehitriny raisintsika ho i Erasmus no mahira-tsaina indrindra. Na amin'ny resaka siansa izany, na teÙlÙjia,

na filÙzÙfia, dia mahira-tsaina tsotra izao izy.

-Ary ity izany ny Textus Receptus voalohany eto ity?

-Ny Textus Receptus voalohany.

-Wow.

-Mba jereo kely, azafady.

Raha atao bango tokana, ity no raisina ho boky manan-danja indrindra amin'ny rehetra natao pirinty hatrizay.

Ary ity no boky nanomboka ny fanovana.

Na dia tsy mpino aza ianao, dia miaiky fa ity no boky manan-danja indrindra amin'ny rehetra natao pirinty hatrizay

Avy amin'ity no nanomboka ny Renaissance. Avy amin'ity boky ity ny marina.

Ary hitantsika ny maha-fepetra takina an'io boky io, saingy ny nataon'io koa dia ny

niteraka olana be dia be. Ary inona no tiako hotenenina amin'izany?

Eny, nijanona ny fikorianan'ny vola mankany Roma. Nisy trano an-d‡lam-panamboarana.

Nisy mpanaingo trano fantan-daza tany ary nokaramaina

hanaingo azy. Mazava ho azy fa ny Vatikana, i Michaelangelo ary ny Chapelle Sixtine

no tiako hotenenina. Nijanona ny fikorianan'io vola io. Ary ny fiangonana nanomboka nanisy

tambim-pisamborana tamin'ny lohan'ny olona, hoe "Tsy afaka mampianatra an'ity ianareo. Tsy ity no

raisinay ho marina", ary na dia niteny aza i Erasmus hoe "Toa manana olana isika eto.

Tena milaza io hoe 'met√°noia', fa tsy 'mandoa lamandy', ka mila mandray an-t‡nana an'io olana

ara-teÙlÙjia io isika." Saingy naterak'ity boky ity ny hetsiky ny protestanta.

Ka inona marina no dikan'ny hetsiky ny protestanta?

Maneho ny tsy fankatoavany.

-Ato amin'ity fanontana asehonao ahy ity, Erasmus nametraka ilay Grika voalohany

teo akaikin'ilay Baiboly Latinan'ny fiangonana ary, noho io, dia mora be ny mahita ny fifanoherana

misy eo amin'izy roa. -Mazava ho azy.

-Marina ve izany? -Izay ilay antony nilazako hoe nanova ny zava-drehetra ity.

Satria nasehon'ity fa diso ny nataontsika, ary nasehony hoe inona no tokony ho izy.

Saingy tsy nandika an'ity izy mba hampiseho ilay tokony ho izy raha tsy efa taty aoriana.

Rehefa tonga ny vao nisy izany.

-Ka ireo dia zavatra roa mifanohitra natao mifanila.

-Ary ny hany ataony dia mampiseho fotsiny ilay porofo.

-Ilay kinova Latinan'ny fiangonana nolotoina, avy eo ny Textus Receptus Grika voalohany,

nataony mifanila fotsiny ireo ary navelany ho ny mpamaky tsotra izao

no mpitsara.

-Saingy ity no bala izay tena saika namono ny fiangonana tamin'ny fomba mahomby.

-Marina izany.

-Io hitanao eto io no fantatsika ankehitriny amin'ny hoe Baibolin'i Coverdale natonta voalohany.

Raha ny tena marina anefa, ity dia sanganasan'i William Tyndale. Ary izao, araka ny fantatsika

Tyndale no namorona ny teny Anglisy fitenintsika ankehitriny. Izy ihany koa no namorona

ny Baiboly Anglisy voalohany indrindra nadika avy amin'ireo tenim-pirenena nanoratana azy voalohany.

Tyndale tao Angletera naniry hanao toy ny nataon'i Lotera tany Alemaina.

Ka nanao izany mangingina izy ary, noho ny fanampian'ny tranombokin'i Lotera, sy ireo boky toa

ity eto ity, ary ireo fanontana ilay sanganasan'i Erasmus taty aoriana, dia namokatra

ny Testamenta Vaovao voalohany indrindra i Tyndale. Lasa io no boky nenjehina indrindra teo amin'ny tantaran'i Angletera.

Ary ny mpanjaka naniry an'ity zavatra ity hodorana.

-Ka Angletera izany mbola teo ambany fifehezan'ny Fiangonana Katolika tanteraka tamin'ilay fotoana

namokaran'i Tyndale ny Testamenta Talohany tamin'ny ?

-Ary ity dia boky izay famelezana tanteraka ny Fiangonana voaorina na Katolika

tao Londres tamin'izany fotoana izany.

Lasa zava-bita miezinezina izy ity tamin'izany satria Tyndale, nandritra ny taona faramparany

niainany, dia nandany ny andron-tokon'androny nandika avy amin'ny teny Hebreo sy teny

Grika namokarana an'ity boky ity.

-Ny ambiny amin'ny Testamenta Taloha, ny sasany tamin'io tsy nanam-potoana hamitana ny fandikana azy

avy amin'ny teny Hebreo voalohany ry zareo tamin'ny fotoana nivoahan'ity boky ity?

Tsia, satria Tyndale nosamborina tamin'ny .

-Marina izany.

-Notanana tsy ho afa-mivoaka ny tranony izy nandritra ny andro. Avy eo tamin'ny marainan'ny

Oktobra , dia navoaka izy ary nodorana. Saingy nandritra ilay fotoana nitazonana azy,

dia vitan'i Myles Coverdale ilay natombok'i Tyndale.

Ary izao, ny tiako indrindra amin'ny zavatra rehetra ananantsika ato amin'ity efitra ity dia ito lahatsoratra eto ito.

Ity ilay antsointsika hoe Baibolin'i Matthew. Ka inona ary ity?

Ito dia tsy inona fa ity vita.

-Marina izany.

-Ary izao, tadidio rehefa teo am-pialana aina i Tyndale, ny teniny farany, toa anao niteny mazava tsara

teo aloha teo dia hoe "Tompo Ù, sokafy ny mason'ny mpanjakan'i Angletera."

Ary izao, inona no nitranga tamin'izany vavaka izany?

Mety afaka nilaza zavatra an-tapitrisany i Tyndale.

Maninona ianao no handany ny fofon'ainao farany hiteny hoe "Tompo Ù, sokafy ny mason'ny

mpanjakan'i Angletera"? Fantan'i Tyndale fa na adala manao ahoana aza i Henri VIII, dia raha

afaka manao izay hisarahan'i Henri VIII amin'ny Fiangonana voaorina Romana izy,

dia handresy sy ho voaaro i Angletera. Hafa ny hoe manana fifandraisana manokana amin'i Jesosy.

Ary hafa ny hoe manana fifandraisana manokana amin'i Jesosy sy

misy olona te-hamoha anao sy hamono anao isa-maraina. Izay ny iraka nampanaovina azy ireo.

Saingy nony farany, nanome al‡lana ny Baiboly hisy malalaka i Henri VIII noho ny zavatra tokana:

fisaraham-panambadiana.

Mibaribary fa nanova an'i Angletera ireto lahatsoratra roa ireto.

Tena afaka manana fifandraisana manokana amin'i Jesosy ianao

amin'ireto boky roa ireto.

-Manana ilay mpanelanelan'ny fiangonana ianao fa tsy mila maka

an'i Jesosy Kristy ho mpanelanelana akory.

-Ilay antsointsika ankehitriny hoe efitra fibebahana.

"Mamel‡ ahy, Raiko, fa nanota aho. Efa roa herinandro izay

no nibebaka farany aho."

-Ka nandresy ny efitra fibebahana ity.

-Nanala azy tanteraka io. Tsy nisy nilana azy intsony. Tsy voatery

nitady lehilahy iray hilaza aminao ny

sazin'izao heloka natao tamin'Andriamanitra izao ianao.

Avy eo ny ananantsika ankehitriny dia ilay antsoina hoe Baiboly Lehibe na ny Baiboly izay,

raha ny marina, nahazo fankatoavana sy al‡lana avy amin'i Henri VIII, mpanjakan'i Angletera.

Mety ho nampihomehy izany, raha tadidina ny zavatra vitsivitsy.

Ny kinovan'ny sanganasan'i Erasmus tao aoriana dia nataon'ny lehilahy iray atao hoe Beza.

Ary ny sanganasa hafa iray izay mahazatra antsika indrindra anefa dia ity eto ity

nataon'i Stephanus. Ka izao, manan-danja i Stephanus satria izy no nanome antsika ny Baiboly Grika,

dia ilay Baibolin'i GenËve antsika na ilay Baiboly nataon'ireo mpanavao John Calvin,

William Wittingham, ireo lehilahy ireo nampiasa ny lahatsoratra Grika nandikana ilay

Baiboly Anglisin'izy ireo fantatra ankehitriny amin'ny anarana hoe Baibolin'i GenËve.

Ary izao, malaza io satria io no voalohany misy andininy. Ie, izany no antony mahatonga ny

Baibolin'i GenËve ho mahazatra ny maro amintsika ery. Toy ny hoe, avy aiza ny Jaona :?

Io dia avy amin'nyÖ

-Nozarain'izy ireo ho toko sy andininy io?

-Efa teo ireo toko.

-Nozarain'izy ireo ho andininy io. Azoko ny tianao holazaina.

-Taorian'i Henri VIII, dia nandova ny fanjakana ny zanany lahy. Ary izy dia fantatsika ankehitriny amin'ny anarana hoe

Edward VI. Maty mbola tanora be izy. Efatra na dimy taona fotsiny no nanjakany.

Saingy nandritra izany fotoana izany, namela ireo soratra masina hisy malalaka ihany koa izy. Saingy izy

koa dia tsy nanam-bady aman-janaka, ka rehefa tsy nanana mpandova izy, dia iza no

nandova ny fanjakana? Ny anabaviny izay fantatsika ankehitriny amin'ny anarana hoe Bloody Mary. Ary tsy

miantso azy toa izany isika satria tiany ny vodka sy ranon-toamaty nasiana

Tabasco kely. Antsointsika Bloody Mary izy satria izy no tompon'antoka tamin'ny fahafatesan'ny

olona nentiny mihoatra ny .. Ary ity misy ohatra maneho tsara izany. Ito eto misy

fianakaviana iray, pasitera, nandritra ny fanjakan'i Bloody Mary. Ito eto misy reny miisa dimy sy ray miisa dimy, izy rehetra

dorana ambony avosan-kitay. Ary inona ny antony?

Nampianatra ny zanany ny vavaka nampianarin'ny Tompo amin'ny teny anglisy izy ireo.

-Wow.

-Dia nasainy nodorana tambony avosan-kitay izy ireo.

-Ka noho ny havitrihany momba ny Fiangonana Katolika, dia novonoiny ireo olona ireo.

-Nampianatra ny zanany ireo ray aman-dreny ireo.

-Hay. Ary satria ny fiangonana ihany no tiany hampianatra ny zanak'izy ireo?

-Tsy voafidy ho manam-pahalalana hampianatra ny zanatsika isika tamin'izany, pasitera.

-Ka, raha lazaina tsotsotra, voadoro eo ambony avosan-kitay noho ny fampianarana an-trano izy ireo.

-Izay tsotra izao raha ny marina. Amin'ny lafiny iray, dia izay.

Ny hanana fahefana manontolo no tian'izy ireo.

-Wow.

Nandritra izany fitroarana izany, nisy lehilahy mahery fo nanapa-kevitra ny hikomy.

Ary iza ny anaran'izy ireo? John Knox, John Foxe, William Wittingmam.

Nitsoaka tao Angletera izy ireo ary nandeha nanao lahatsoratra vaovao be. Ary inona no iantsoantsika

an'izany lahatsoratra izany ankehitriny? Io ilay antsointsika hoe Baibolin'i GenËve.

-Eny, izany mihitsy no voalaza eto, nisy olona nanoratra io hoe "Baibolin'ny fianakaviana".

-Marina izany. Izany tokoa izy io: ilay Baibolin'ny fianakaviana voalohany indrindra.

-Marina izany.

-Ilay ataontsika ankehitriny hoe Textus Receptus no fototr'ilay ataontsika hoe

Baiboly "fampianarana an-trano" voalohany indrindra: ny Baibolin'i GenËve.

-Marina izany.

-Ary ity izany ilay boky nentina niampita ranomasina tamin'ny sambo Mayflower.

-Azoko ny tianao hotenenina.

-Ity ny Baibolin'ny olona tonga nanorim-ponenana tao Jamestown.

Taorian'ny fampihorohoroan'i Bloody Mary, dia nanana rahavavy izy. Mazava ho azy fa fantatsika ny anarany dia

ny mpanjaka Elizabeth voalohany. Mba hambaboana ny fon'ny olona, dia nanome ny Baibolin'ny Eveka izy.

Ity dia nataon'ireo "eveka",

nataon'ireo pasitera.

-Saingy nifototra tamin'ny sanganasan'ny Baibolin'i GenËve ny sanganasan'izy ireo.

-Fa ry zareo naniry fotsiny hoe zavatra somary manam-pahefana kokoa no atao.

-Marina izany.

-Avy amin'ny olona azonao atokisana ity. -Manam-pahaizana.

-Manam-pahaizana Hebreo, Grika, saingy tsy nahita sitraka tamin'ny olona mihitsy io, raha ny marina.

Sanganasa nanetriketrika io.

-Na teo aza izany, dia tsy niroborobo tsotra izao io.

-Tsy latsa-paka tao am-pon'ny olona io.

-Angamba nahalala fotsiny Andriamanitra hoe misy zavatra tsara kokoa miala any.

-Avy eo, mazava ho azy, fa tsy nanam-bady izy; ka tsy nisy zaza. Ka iza no nandova

ny fanjakana? Ilay zana-kavany avy any Ekaosy. Fantantsika, mazava ho azy, fa izy no King James.

Ary io Baiboly lehibe avo be hitanao eo akaikinao indrindra io, io no

fanontana voalohany ny Baiboly King James. Avy eo rehefa afaka iray taona, dia nomeny al‡lana ny

olona hividy iray any amin'ny fivarotam-boky ary iny tazominao iny

ny Testamenta Vaovaon'ny Mpanjaka James voalohany indrindra.

-Wow.

Avy eo rehefa tonga ny taona , dia lasa mpanjaka ilay Mpanjaka James. King James VI

an'i Ekaosy. Lasa mpanjaka izy ary nilazana izy fa tokony hisy dikanteny vaovao

vokarina avy amin'ireo soratra masina. Ary ny antony dia satria

betsaka ny olona nampiasa ny Baibolin'i GenËve, nefa avy eo rehefa mankany am-piangonana izy ireo

dia Baibolin'ny Eveka no misy ao, ka nisy kinova lehibe roa ary

samy nisy olana izy roa.

Nisy olana ny Baibolin'i GenËve; nisy olana ny Baibolin'ny Eveka.

Ka hoy ry zareo hoe andao tonga dia maka fotoana hanaovana azy tsara.

Nanana manam-pahaizana sangany ry zareo teo amin'ny taniny ary niteny hoe tsy manandrana

manolo ny kinova ratsy izahay.

Fa miainga amin'ny tsara ho amin'ny tsara kokoa ho amin'ny tsara indrindra. Izany hoe, ireo dia

Dikanteny tsara. Tsara ny Baibolin'i GenËve; tsara ny Baibolin'ny Eveka.

Hanao izay hahalafatra azy fotsiny isika ary hanitsy azy tsara fotsiny.

Ka nanomboka tamin'ny hatramin'ny , ny KJV dia nadikan'ny amin'ireo manam-pahaizana lehibe indrindra

nisy tamin'izany fotoana izany. Mba hanomezana ohatra antsika fotsiny: ny lehilahy iray,

atao hoe Lancelot Andrews dia manam-pahaizana momba ny Latina, Grika, Hebreo, Saldeana, Syriaka,

Arabo, ary izy koa nahay tenim-pirenena maoderina miisa dimy ambifolo. Izany lehilahy iray fotsiny amin'ireo olona

nandika ny Baiboly King James nandritra ny fito taona.

-Ka tao ireo manam-pahaizana momba ny Arabo. Tao ireo manam-pahaizana momba ny

Grika sy ny Hebreo. Tao ireo manam-pahaizana momba ny Aramaika. Lehilahy nanan-tsaina be

izy ireo, izy rehetra. Ary maro samihafa ny fahalalan'izy ireo ny Soratra Masina.

Mety nanana foto-pinoana hafa ry zareo na mety niavaka kely ireo sehatry ny

teÙlÙjia isan-karazany hain'ny iray tamin'ireo mpandika teny.

Ny nataon'izy ireo dia nizarazara ho vondrona enina.

Ireto lehilahy enina ireto nandika ireto bokin'ny Baiboly enina ireto etsetra etsetra. Ary rehefa

nanao izany izy ireo dia nampitaha azy rehetra indray miaraka, ary ny vondrona tsirairay tamin'ireo enina nanao an'ity.

Avy eo nifidy filoha iray avy amin'ny vondrona tsirairay ry zareo hanombantombana ireo vondrona enina manontolo

ka izao no nitranga, ny andalana tsirairay amin'ny Soratra Masina dia notombantombanana indimy ambifolo.

Avy eo ny namaranana azy tanteraka: nifanaiky izy rehetra momba izay

voadika araka ny havitriky ny teny marina nampiasain'izy ireo, izany hoe momba ilay

lazainy, izao no dikany,

na dia somary mifanohitra kely amin'ny mety heverin'izy ireo.

-Niteny ny mpanjaka tamin'ny hoe "Any ary, handeha hikarakara fivoriana aho ary na dia ela manao ahoana

ny faharetanao, dia hiasa amin'ny al‡lan'ny fitsipika roa ianareo:

Ny Testamenta Taloha tsy maintsy adika avy amin'ilay Hebreo, ny Testamenta Vaovao tsy maintsy

adika avy amin'ilay Grika, ary homeko anareo ny enti-miasa rehetra arak'izay tratra

hahatanteraka an'izany. "Ka ilay Hebreo tsara indrindra tamin'izany fotoana izany,

ilay Grika ara-pahalalana indrindra tamin'izany fotoana izany, ary tamin'ny , lehilahy no nokaramaina.

Ary nanomboka niasa izy ireo ary, nandritra ny fito taona, nanao ilay fantatsika ankehitriny hoe

boky manan-danja indrindra teo amin'ny tantaran'ny olombelona: ilay fanontana voalohany, ilay famoahana voalohany ny

lahatsoratry ny King James. Ary naharitra fito taona ny nanaovan-dry zareo azy.

Ary nanao asa goavambe izy ireo. Ary ny Baiboly King James izay novakintsika sy ianao androany dia,

mazava ho azy, fa avy amin'ilay lahatsoratra nohavaozina tamin'ny , saingy ity no vatofantsik'ilay lahatsoratra. Ary

ity ny vokatr'izany. Ary tamin'ny izy nanome antsika ilay fantatsika ankehitriny amin'ny fiantsoana hoe

Testamenta Vaovaon'ny King James azo tazomina an-t‡nana voalohany indrindra.

-Latsa-paka tao am-pon'ny olona io.

-Latsa-paka tao am-pon'ny olona ity.

-Ilay Testamenta Vaovao omby t‡nana.

-Hoy ilay Mpanjaka hoe raha mahavidy azy ianao, dia mahazo manana azy. Ny fivarotam-boky tsirairay tao Londres

dia nivarotra azy, ary dia niroborobo io.

Avy eo lasa, ary mbola izy, no boky be mpividy laharana voalohany teo amin'ny tantaran'ny

olombelona. Tsy mbola nisy boky nahalafosana maro mihoatra an'ity lahatsoratra ity, ary tsy hisy mihitsy.

-Rehefa jerentsika ireo kinovan'ny Baiboly izay niteraka ny Baiboly King James: Tyndale,

Matthew, Coverdale, Baiboly Lehibe, Baibolin'ny Eveka, Baibolin'i GenËve, izy rehetra dia

mifanindran-d‡lana amin'ilay King James. Izy rehetra dia saika milaza zavatra mitovy amin'ny lazain'ilay

King James. Ny Baiboly King James no tendro faratampony nitodian'ireo Baiboly nialoha l‡lana azy.

Ka raha toa ny Baiboly King James ka mifanaraka amin'ireo Baiboly Anglisy hafa rehetra

niteraka azy, dia maninona ireny Baiboly maoderina ireny no hafa be?

Dr. James White dia lehilahy iray nanao ady hevitra nanohitra ireo olona tsy mpomba afa-tsy ny King James.

nanoratra boky iray izy manohitra ireo tsy mpomba afa-tsy ny King James.

Heverina ho manam-pahaizana amin'ny antony mahadiso ny fanarahana King James tokana izy, ka

handeha hiresaka aminy isika ary ho hitantsika eo ny heviny.

-James? Manam-bahiny isika.

-Eny ary. Manahoana ianao?

Dr. James White, misaotra betsaka anao nanaiky hiresaka aminay anio.

-Faly mahita anareo.

-Azonao resahana amiko ve ny Codex Sinaiticus, raha fintinina,

ary ny Codex B, raha fintinina?

-Ny Sinaiticus sy ny Vaticanus dia samy zavatra voalohany nandrafitra ny herivaikan'ny

hetsiky ny mpomba King James tokana satria izy ireo dia tena foiben'ny

firoboroboan'ny lahatsoratra Testamenta Vaovao ankoatry ny Textus Receptus.

-Lehilahy roa antsoina hoe Westcott sy Hort no nanambatra lahatsoratra manan-danja izay

nifototra indrindra tamin'ny horonam-boky sora-t‡nana roa atao hoe Sanaiticus na "Codex Aleph" ary

Vaticanus na "Codex B". Ary ireo horonam-boky sora-t‡nana roa ireo dia noheverin'i Westcott sy

Hort ho tranainy kokoa sy, arak'izany, azo antoka kokoa noho ireo lahatsoratra Grika hafa izay

nampiasaina tamin'ny Textus Receptus.

Ireo Baiboly maoderina dia heverina fa vokatry ny arkeÙlÙjia maoderina

sy fananam-pahaizana maoderina ary fahitan-java-tranainy maoderina. Izany hoe, na ny olona nanandratra ireo

Baiboly maoderina ireo aza dia hiteny aminao hoe "Tsy izany fa betsaka kokoa fotsiny ny loharanom-pahalalana azon'ny mpamoaka boky

maoderina ankehitriny ampiasaina. Izy ireo dia manana horonam-boky sora-t‡nana izay tsy nisy teo am-pelat‡nan'ireo

mpandika tenin'ny King James. Izay no antony mahatsara kokoa ireo Baiboly maoderina",

hoy ry zareo. Ary ny antony ilazan-dry zareo izany dia satria ireo horonam-boky sora-t‡nana maoderina izay

loharano nandikana ireo Baiboly maoderina, ny NIV, snsÖ dia fahitan-java-tranainy vaovao kokoa izay midika

fa nilevina nandritra ny taonjato maro izy ireo. Ka izao, mamel‡ ahy hanontany zavatra anareo. Ianareo ve mino

fa ny Baiboly tena izy dia nilevina nandritra ny taonjato maro?

[Ny iray fiangonana] Tsia.

-Izany hoe, ianareo ve tena mihevitra fa Andriamanitra hamela ny olony hampiasana ilay

Baiboly diso mandritra ny taona an-jatony maro, avy eo tampotampoka teo tany amin'ny

tany, lasa nahita ireo horonam-boky sora-t‡nana tena izy marina isika?

Tsy hitako ny dikany.

Izany hoe, Andriamanitra nampanantena ny taranaka rehetra fa hikajy ny Teniny, saingy izy ireo

saika nino daholo fa ilay Tenin'Andriamanitra amin'ny endriny tena izy marina nilevina tany ho any

ary nandritra izay taonjato rehetra izay, ny tsirairay dia namaky, nitori-teny sy nino

zavatra diso, avy eo misaotra an'Andriamanitra fa nisy ilay arkeÙlÙgy tany amin'ny tany

nihady an'ireo horonam-boky sora-t‡nana ireo, Ilay Tenin'Andriamanitra tena izy marina izay nilevina

nandritra izay taona rehetra izay. Jereo, raha nandany fotoana be sy nanao ezaka be izaitsizy Andriamantitra hitondrana ho antsika

ny Teniny tamin'ny al‡lan'ireo mpaminany sy olomasin'Andriamanitra izay niteny araka izay

nitondraníny Fanahy Masina azy ireo nandritra ny taona maro an-jatony, ie, an'arivony,

dia hamela azy hilevina ve Izy?

Tsia, ireto horonam-boky voahady taty aoriana, ireto horonam-boky vaovao kokoa, tsara kokoa

ireto dia sandoka. Manana anarana toy ny hoe Codex Vaticanus. Izao ary, hmm, inona no tonga

ao an-tsaina raha vao mahare an'izany? "Codex Vaticanus".

-Ilay izy hita tao amin'ny Vatikana na mifandraika amin'ny Vatikana,

amiko, no mahatonga azy ho ahiahina.

-Marina izany.

-Misy tapaka sy sombin'ny Testamenta Vaovao Grika miisa mahery

azo anaovana fandinihana.

-Wow.

-Ary ny amin'ireo dia lahatsoratra nanan-danja kokoa izay nampiasain'ny mpandika teny

ho an'izay rehetra ankoatry ny Baiboly King James.

Izany dia % amin'ireo horonam-boky sora-t‡nana misy,

raha toa ny Baiboly King James ka mampiasa ny ,% amin'ireo lahatsoratra nadika.

Ary izay ny antony iantsoan'ny maro azy hoe lahatsoratra antsasa-manila. Tsara ho

voamarikareo koa, ary heveriko fa tsy lazaina matetika ity, fa ny Filazantsara

izy tenany, eo amin'ny Sinaiticus sy ny Vaticanus ihany koa, dia misy

fahasamihafana mahery. Ka ahoana no ahalalantsika hoe iza amin'ireo fahasamihafana marina na

andalana marina no tokony hampiasaina raha tsy hoe nohamarin'ireo loharano hafa

ampiasain'izy ireo? Saingy raha manana horonam-boky sora-t‡nana roa aho, A sy B, izay mifanohitra

raha toerana amin'ny filazantsara fotsiny no zahana, ahoana no hahalalako hoe iza amin'ireo no azo antoka?

Ka aleoko matoky ny maha-ambony kokoa ireo horonam-boky sora-t‡nana

izay nahazoantsika ny Textus Receptus.

-Raha toa isika ka mahita zavatra nilevina ary milaza zavatra hafa noho

ilay efa voaray, ny Lahatsoratra Voaray, ny Textus Receptus, hitanareo, ny

Baiboly izay nampiasain'ny olona nandritra ny taonjato maro, dia tsy maintsy hosoka izany zavatra izany.

Io dia tsy tokony ho Tenin'Andriamanitra raha tsy nikajy azy Andriamanitra. Ary saika lavin-dry zareo

avokoa ireo Baiboly an'arivony amin'ny tenim-pirenena isan-karazany rehetra izay milaza

ny mitovy amin'izany. Fa aleon-dry zareo Codex Vaticanus, Codex Sinaiticus,

satria noho ireo tranainy kokoa. Eny, saingy

ny maha-tranainy azy ireo dia tsy midika hoe marina izy ireo. Tsy midika izany fa tsy hosoka izy ireo.

Jereo, nilaza tamintsika i Paoly ao amin'ny Korintiana hoe nisy olona

nanimba ny Tenin'Andriamanitra na dia tamin'ny androny aza. Ao amin'ny Tesaloniana dia efa nisy

nanoratra soratra masina diso nisandoka ho Aspotoly Paoly.

Ao amin'ny Apokalypsy , Andriamanitra efa nampitandrina ny olona izay hanandrana hanaisotra

na hanampy amin'ny Tenin'Andriamanitra. Ka efa mitranga izany. Ka

satria nahazo horonam-boky sora-t‡nana vita tamin'ny taona taorian'i Kristy ianao dia hiteny fotsiny hoe

"Aiza koa, voatsiary izany hoe mety nampiana zava-diso io, sa tsy izany?" Mazava ho azy fa mety.

Ary maro izany, ny Baiboly milaza amintsika hoe mandoto ny Tenin'Andriamanitra izany.

Tsy vitsivitsy, fa maro.

-Ireo horonam-boky sora-t‡nana roa ireo dia tsy mahaleo tena.

-Marina izany.

-Ary ankehitriny ny Nestle Aland fanontana faha-, ny UBS faha- voahitsy, dia misy

toerana maromaro izay, tsy vitan'ny tsy mifanaraka ny Sinaiticus sy ny Vaticanus,

na dia matetika miaraka izy ireo, fa tsy mahaleo tena izy ireo rehefa ampitahaina amin'ny papyrus.

Fiheveran-diso tsy voalanjalanja amin'ilay nataon'i Westcott sy Hort momba ny litera Aleph sy B.

Nefa nanao ny sanganasany talohan'ny papyrus koa izy roa.

Ankehitriny, izay rehetra talohan'ny papyrus dia voalohany amin'ny zavatra tsy mifandraika amin'ny soratra masina.

-Lasa lany daty io noho ireo fahitana horonam-boky sora-t‡nana vaovao kokoa?

-Ny fahitana ny papyrus izay, mazava ho azy, fa avy any Ejipta

ary ireo toerana isan-karazany sy samihafaÖ

-Alexandrie dia t‡nana iray any Ejipa. Ejipta dia firenena iray ao amin'ny Baiboly izay

nampifandraisina foana amin'izay tsy avy amin'Andriamanitra na fahotana na tsy mety. Ohatra, ao amin'ny

Apokalypsy :, mivaky toa izao ny Baiboly "Ary ny fatiny hiampatra eny

an-d‡lambeníny tan‡na lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta,

sady tao koa no nanomboana ny Tompontsika taminíny hazofijaliana." Ka rehefa te-hampiasa toerana iray Andriamanitra ao amin'ny

Baiboly hanehoana ny haratsiana, hanehoana izay tsy avy amin'Andriamanitra sy

satanika, dia mampiasa an'i Ejipta Izy hanehoana izany. Ejipta ao amin'ny Baiboly dia mariky ny

haratsiana, tsy maha-avy amin'Andriamanitra.

-Ny famakiana ireo horonam-boky sora-t‡nana taloha kokoa ireo, P, P, P dia

nanamarina sy nampiseho fa ny vakoka lahatsoratra hita ao amin'ny Sinaiticus

sy Vaticanus dia tsy azy ireo irery. Izany hoe misy teÙria miely etsy sy eroa amin'izao

hoe misy hosoka ataon'ny Katolika Romana sy ny ambiny rehetra amin'ny

hadalana mitovy amin'izany.

-Mety tsy mieritreritra ianao hoe ny NIV dia Baiboly Katolika, ary hilaza aminao ry zareo hoe:

"An an an, manaraka ny Evanjely io; natao ho an'ireo Batista io." Saingy, hitanareo, ndeha

hasehoko anareo daholo ny tsangan-kevitry ny Katolika izay tohanany satria io dia avy amin'ireny

horonam-boky sora-t‡nana Katolika ireny. Ny Asan'ny Apostoly : dia nesorina tao amin'ireo kinovan'ny Baiboly maoderina

satia manameloka ny fanaovam-batisa ny zaza io.

-Io no antony tsy anaovantsika batisa ny zaza. Fantatrareo ve hoe nahoana? Satria araka ny

Baiboly, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? Mila mino ianao dia

avy eo atao batisa. Tsy afaka mino ny zaza. Tsy melohina akory ny zaza.

Ny zaza rehefa maty dia mankany an-danitra. Fa mety afaka namaky an'io ny Katolika iray ary hilaza hoe:

"Ah, fanaovam-batisa ny zaza, mirosoa. Inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?

"Tsy misy. Ndao fotsiny hatao batisa izy." Tsia, misy zavatra misakana anao tsy hatao

batisa, dia ilay hoe mino. Tsy ao amin'ny Baibolinao tsotra izao io.

-Ny Katolika mampianatra tsangan-kevitra hoe virijiny foana i Maria nandritra

ny fiainany iray manontolo. Izao isika mahalala hoe mazava ho azy fa virijiny i Maria tamin'izy

niteraka an'i Jesosy Kristy, saingy ny Baiboly dia milaza mazava fa nanan-janaka hafa izy taorian'io.

Raha ny marina, mitanisa ny efatra amin'ireo rahalahin'i Jesosy ny Baiboly: Jakoba, Josesy,

Jodasy ary Simona. Milaza ny anaran'ireo rahalahiny Izy, avy eo hoy ny Baiboly: "Ary ny

anabaviny, moa tsy ety amintsika avokoa va izy ireo?" Arak'izany, Jesosy dia nanana mpiray tampo tsy iray ray Aminy farafahakeliny fito

na mety mihoatra an'izay aza. Ary izao, misy porofo lehibe manamarina izany ao amin'ny Matio : sy .

"Ary Josefa, rehefa nahatsiaro taminíny torimasony, dia nanao araka izay nandidianíny anjeliníny Tompo azy

ka nampakatra ny vadiny. Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany ny

Lahimatoany; ary ny anarany nataony hoe JESOSY". Ka tsy milaza io hoe tsy nahalala azy mihitsy izy.

Milaza fotsiny io hoe tsy nahalala azy izy mandra-piterany ny lahimatoany.

Hoy ny andininy ao amin'ny Baiboly NIV hoe "Tsy nanao firaisana taminy anefa i Josefa

mandra-piterany zazalahy. Ary nataony hoe Jesosy ny anarany."

Inona no tsy ao? "Lahimatoa".

Raha toa ka i Jesosy no lahimatoan'i Maria, milaza amiko io fa nisy faharoa teraka taoriany.

Saingy ny NIV nanala an'io amin'izay ianao afaka miteny hoe "Hitanao, io no zanaka tokana

nananany". Tsangan-kevitry ny Fiangonana Katolika iray hafa izay tohanan'ny

NIV ny tsangan-kevitry ny fikapohan-tena. Ie, naheno ahy tsara ianareo.

ny mikaravasy tena na mikapoka tena.

Ary izao, ireo namanareo Katolika izay fantatrareo eto Etazonia mety

tsy mikapoka tena. Saingy nanerana ny tantara, ny Fiangonana Katolika Romana dia

nampianatra sy namporisika ny fanaovana fikapohan-tena, ekenareo? Raha ny marina, rehefa

nataon'i Henri VIII hoe tsy ara-dal‡na ny Fivavahana Katolika tao Angletera ary noroasiny tao Angletera ny

Fiangonana Katolika Romana, dia namoaka lal‡na koa izy handrarana ny fikapohan-tena.

Ary na dia amin'izao andro izao aza any Filipina, ireo Katokika mpivavaka be dia

mikapoka tena amin'izao andro izao. Any Filipina, mamantsika tena amin'ny hazo fijaliana ry zareo;

mikapoka tena ry zareo; mandady amin'ny tany mandra-pandeha ra ry zareo.

Izany hoe, manao an'ireo karazana hetsika ireo amin'ny tenany ry zareo. Jereo ny lazain'ny Baiboly ao amin'ny

Korintiana :. "Fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao,

na dia efa nitory taminíny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako."

Hoy ny NIV: "fa asiako mafy ny vatako". Ary ny ankamaroan'ireo kinova maoderina

dia milaza zavatra mitovitovy amin'izany, "asiako mafy ny vatako ary andevoziko"

-Milefitra.

-An an an, tsy milaza hoe "milefitra" izy ireo. Hoy izy ireo hoe "Asiako mafy".

-An an an, izay no lazain'ny Baiboly NET.

-Hay, ekeko, saingy izaho miteny aminao hoe ny NIV milaza hoe "Asiako mafy ny vatako". Ny fanontana

an'ny NIV dia milaza hoe "Velesiko ny vatako".

"Darohiko ny vatako".

-Aza mieritreritra hoe hiaro ny NIV aho.

-Eny ary. Io no dikanteny be mpividy indrindra eto Etazonia tamin'ity ity.

-Tsy atokisako hoe marina izany.

-Nojereko tamin'ny loharanom-baovao maro io. -Heveriko fa ny ESV diaÖ

-Io no laharana voalohany.

-Isika hÖ, eny ary, raha ataonao anisany nyÖ

-Ny ESV no laharana faha-. Ary nanao fikarohana be dia be momba an'io aho.

-Raha ataonao anisany ireo anarana fiantsoana malalaka, angamba.

-Ka ny Korintiana :, tsy hiaro ilay hoe "mikapoka tena" lazain'ny NIV ianao?

-Tsia.

-Satria Katolika io. Izany hoe, ny Fiangonana Katolika, tafandria mandry!

-Andray, azaÖ Tsy izany no niavian'io.

-Aoka aloha. Ianao ve hiteny hoe

ny Katolika tsy mikapoka tena amin'izao andro izao?

Tsy manao fikapohan-tena amin'ny karavasy ry zareo? Ianao ve hiteny hoe i Henri VIIIÖ

-Misy vitsivitsy manao; ny ankamaroany na ny mamonjy lamesa aza tsy ataony.

Tsy handeha hikaravasy ny tenany ireo.

-Ahoana ny nanerana ny tantara? Ahoana ny momba ilay tany Angletera rehefa noroasin'i Henri VIII

ny Katolika ary nataony hoe tsy ara-dal‡na ny fikapohan-tena tamin'io taona io ihany?

-Steven, fa inona no ifandraisan'izany amin'ireo mpandika teny NIV?

Hitanao, tsy hoe akory satria nanao an'izany i Roma taloha

dia midika izany fa izay tokoa no tanjon'izy ireo rehefa nanao azy.

-Ny teneniko dia hoe Satana dia Satana, ekenao? Ary ilay Satana izay nanentana ny olona

hikapoka tena tamin'ny Moyen Age dia tsy hafa fa ilay Satana nametraka andalan-tsoratra ao amin'ny

NIV miteny ny olona hikapoka tena. Io no nanatsoahako ilay fifandraisany.

-Hitanao, na ny fivoaky ny NIV aza dia ahitana miharihary izay lazainy,

ary miharihary fa sarinteny io.

-Eny ary, ny Amplified Version. Tsy haiko ianareo, fa amiko, ny Amplified Version

dia mafy faneno loatra hatramin'izay. Tsy mbola nahazo azy akory aza aho. Fa, na izany aza, henoinareo

ny Amplified Version: "Fa [toy ny mpanao ady totohondro] izaho midaroka ny vatako". Dia izao, mamel‡ ahy hanontany

anareo an'ity: ianareo ve efa nahare mpanao ady totohondro mikapoka ny tenany? Satria izaho dia tsy mbola nahare.

Ny Common English Bible dia tena manamora ny fahatakaranareo azy, satria

moa ve tsy izay ny antony itiavanareo an'ireny kinova vaovao ireny, satria ireny mora azo izay lazainy?

"Aleoko manontona totohondry amin'ny vatan-tenako sy mamoritra azy toy ny andevo"

Jereo, ny fikapohan-tena dia tsy tsangan-kevitra manaraka ny Baiboly. Ary ianao miteny hoe

tsy izany fa sarinteny fotsiny no lazainy.

Ka ahoana izany ireny olona rehetra mikapoka tokoa ny tenany ireny?

Tsangan-kevitra hafahafa io, ry namako. Tsy mino an'io aho.

Hoy ny Baiboly ao amin'ny Matio : "Fa rehefa mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro miverimberina

tahaka ny jentilisa; fa ataony ho ny hamaroaníny teniny no hihainoana azy."

Ka ny Baiboly mampianatra antsika eto tsy hamerimberina zavatra fahatany fotsiny,

mieritreritra hoe raha mamerimberina ilay zavatra isika, dia handre antsika Andriamanitra,

mihoatra ny miteny azy indray monja fotsiny.

Inona no atao hoe famerimberenana? Miteny zavatra indroa, na intelo, na indimy.

Izy miteny hoe jereo, aza manao teny maro miverimberina tahaka ny jentilisa. Eny ary, ny

NIV etsy ankilany, ary ireo kinova maoderina rehetra dia nanova be ihany an'ity,

"Rehefa mivavaka anefa ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana, toy ny ataoníny olona eo aminíizao tontolo izao.

Heveriny mantsy fa ny fampiasany teny maro no hihainoana azy.

ny hoe "babble" dia rehefa miteny zavatra tsisy dikany sy tsisy farany ianao dia

miradarada eo, mi-blabla fotsiny. Tsy mitovy amin'ny famerimberenana fahatany io.

Raha miteny amin'ny Katolika Romana iray aho hoe "Hitanao, ianareo mamerimberina foana foana

ilay vavaka 'Rainay an-danitra'. Tsy hoe akory niteny imbetsaka ianareo dia ho re.

Famerimberenana fahatany izany. Mila miteny azy indray

mandeha fotsiny ianareo dia vita fa tsy mamerimberina ilay efa notenenina

eo foana foana". Hitanareo, izay no tohanan'ny Matio :, fa raha toa aho miteny

amin-dry zareo hoe "Hey, ajanony ny miradarada toy ny jentilisa", dia hiteny ry zareo hoe

"Tsy firadaradana ity." Hiteny ry zareo hoe "Ny vavaka nampianarin'ny Tompo dia Tenin'Andriamanitra."

Satria Tenin'Andriamanitra io, tsy izany? Saingy izaho tsy hiantsa an'io na hamerina an'io

fahatany amin'Andriamanitra, nefa ny Fiangonana Katolika mampianatra anao famerimberenana fahatany

ka dia nisy io fanovana soratra io.

Tsy vitan'izay, fa ny Katolika manana tsangan-kevitry ny fieken-keloka

amin'ny pretra. Ary ry zareo hanoro anao ny Jakoba :, ary ao amin'ny Baiboly Katolika

misy fanamarihana iray eo amin'ilay tsanganana milaza hoe ity andininy ity dia milaza aminao

hiaiky ny helokao amin'ny pretra. Izay no lazainy, ohatra, ao amin'ny Baiboly Katolika Doway Rheimes

ao amin'ireo fanamarihana. Izay no lazainy, Jakoba :; "Koa mifampieke fahotana hianareo;

ary mifampivavaha mba ho sitrana hianareo;

fa mahefa be ny vavaka ataon'ny olo-marina an-kafanam-po." Dia ity, henoy

ny nanaovan'ny NIV sy ireo kinova maoderina an'io: "Koa aoka ‡ry ianareo hifampiaiky heloka imasoimaso,

ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo.

Misy heriny lehibe sady tena misy vokany ny fitalahoaníny olo-marina." Izay ny NIV.

Dia hoy izao ianareo hoe "Ah, zavatra mitovy izany." Nefa tsy mitovy ireo.

Voalohany indrindra, raha miverina amin'ny tenim-pirenena niandohana ianareo, raha miverina mijery

izay tena lazainy ao amin'ilay Lahatsoratra Grika ianareo, ilay teny dia hoe "kilema", fa tsy "fahotana".

-Ao amin'ny Textus Receptus, io dia mampiasa ilay teny hilazana ny kilema, "paraptómata", izay -

avy amin'ny "par√°ptoma" izay midika "kilema". Ary heveriko fa indraindray ny olona,

rehefa mamaky zava-diso any, fa variana loatra izy ireo miaiky heloka

amin'ny olombelona, toa izay miaiky heloka amin'Andriamanitra, satria "Raha miaiky ny fahotantsika isika,

dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka

aminíny tsy fahamarinana rehetra", fa kosa raha miaiky ny kilemako aminao aho rehefa miteny angamba hoe

"Osaosa aho amin'ity lafiny iray ity amin'ny fiainako. Mila hatanjahina aho. Hivavaka ho ahy ve ianao?"

Ka rehefa miaiky ny kilemako aminao aho, dia tsy manao fieken-keloka, na hoe

miaiky ny fahotako aminao, fa miaiky ireo kilemako sy fahalemena

ananako manokana, ka misy fahasamihafana amin'ny fahazoana

ireo teny, fahasamihafan'ny teny "fahotana" sy "kilema".

-Ny Kristianisma ara-pilazantsara, araka ny tantara, dia tsy nanaiky ny Fivavahana Katolika toy ny

Fivavahana Kristianina marina. Tamin'izaho mbola kely, ireo fivarotam-boky Kristianina

dia nanana boky sy literatiora namaky batsilana ny ataon'ny Fiangonana Katolika, nampitandrina anao momba

ny Fiangonana Katolika. Ankehitriny rehefa mankao amin'ny fivarotam-boky Kristianina ianao, dia manana

sapile ry zareo; mivarotra Baiboly Katolika ry zareo; mivarotra kojakojam-bavaka Katolika ry zareo.

Ny hitantsika dia fampanjavozavoana ny tsipika manasaraka ny Kristianisma ara-pilazantsara

sy ny Fivavahana Katolika Romana. Omanina ny olona handray fivavahana tokana eran-tany izay

itambaran'ny Fivavahana Katolika, ireo antokom-pinoana Kristianina rehetra,

raha ny marina dia ny fivavahana rehera eran'izao tontolo izao.

-Ireo manery ny hisian'ny fikambanam-pivavahana eran-tany dia mino fa ny fivavahana rehetra,

raha toa ka samy hafa ety ivelany, dia azo ekena ho l‡lana mitondra amin'Andriamanitra avokoa.

-Na dia eo ireo andriamanitra isan-karazany rehetra, dia angamba misy Andriamanitra iray izay maneho

ny Tenany sy manambara ny Tenany amin'ny fomba isan-karazany amin'ny olona isan-karazany.

Hitanareo, ahoana ny momba izany, han?

-Iray ihany ve ny Andriamanitra tompointsika rehetra, Kristianina sy Silamo?

-Heveriko fa izay tokoa. Manana l‡lana isan-karazany isika hahatongavana amin'Andriamanitra.

-Ireo Kristianina sy ireo tsy Kristianina ve, ireo Silamo ve mankany an-danitra, raha ny eritreritrao?

-Ie, mankany izy ireo. Samihafa ny l‡lana ahatongavantsika any.

-Heveriko fa ny tsirairay izay tia an'i Kristy, na mahalala an'i Kristy, na mahatsapa izany

izy ireo na tsia, dia rantsambatan'i Kristy, ary izany no

ataon'Andriamanitra ankehitriny: miantso ny olona hiala amin'izao tontolo izao Izy amin'ny anarany,

na avy amin'ny tontolo Silamo izy ireo na tontolo Bodista na tontolo Kristianina na

tontolon'ny tsy mpino, rantsambatan'i Kristy izy ireo satria

nantsoin'Andriamanitra izy ireo. Mety tsy mahalala akory ny anaran'i Jesosy izy ireo, saingy

mahalala ao am-pony fa mila zavatra izay tsy ananany, ka

mitodika amin'ny hazavana tokana ananany

ary heveriko fa voavonjy izy ireo

ary hiaraka amintsika any an-danitra izy ireo.

-Mandra-pahafatiko, izaho dia tsy hitory zavatra hafa afa-tsy fitiavana ho an'ireo rahalahiko sy anabaviko rehetra

ao amin'i Kristy: ireo rahalahiko sy anabaviko Katolika, ireo rahalahiko sy anabaviko Protestanta

ireo RefÙrmista Kristianina, Loterana. Tsy ahoako izay anaram-pinoanao.

-Ary hitanao Jack, misy mpanao asam-pinoana Protestanta hafa maro izaitsizy

manao tahaka ny ataonao. -Ie.

-Tsy mampaninona anao ny Vatikana?

-Oh, tena tsy mampaninona ahy ny Vatikana. Efa nihaona tamin'ny papa imbetsaka aho.

Mino an'i Kristy ry zareo. Mino ny fahafatesan'i Kristy tamin'ny hazo fijaliana sy ny

fitsanganany tamin'ny maty ry zareo. Mahatsapa ho isan'ny fiangonana rehetra aho.

Toy ny zanaka an-trano aho any amin'ny fiangonana Anglikana na Batista na AssemblÈes de FrËres na

fiangonana Katolika Romana.

-Hitanao, isika rehetra dia tsy manana fijery mitovy ary tsapako fa ny Mormonisma dia

tsy Kristianisma ilay mahazatra, fa izaho mety somary malala-tsaina kokoa sy misokatra kokoa

amin'ilay hoe rehefa tia an'i Jesosy ny olona iray ary mino fa

zanak'Andriamanitra izy ireo, dia mety amiko izay.

-Robert McGuinness miaraka amin'ny Family Research Council dia milaza fa ilay

fandaharan'asa miafina dia ny hampitambatra ny olona ao anatin'ny fikambanam-pivavahana iray amin'izay izy ireo

manaiky am-pilaminana ireo tanjon'ny Firenena Mikambana toy ny fifehezana ny mponina, zo hanala zaza,

ary fanjakana tokana eran-tany.

-Izy rehetra dia miara-miasa toy ny iray eo ambany fahefan'i Losifera.

-Fantatry ny devoly fa mba hahazoana ny olona hanaiky ilay Lamina Eran-tany Vaovao, hanaiky

fivavahan-diso, dia mila manao fanovana miadana be izy. Izy dia tsy

hanafaingana tampoka ny familiana. Ny devoly dia mikiky tsimoramora ny fototry ny

fivavahantsika. Ny devoly dia mikiky tsimoramora ny fototry ny

Tenin'Andriamanitra. Mikiky tsimoramora ny Kristianisma ara-Baiboly marina izy amin'izay izy

afaka manolo azy amin'ny fivavahana eran-tany vaovao ary ny antikristy no

hotompoina ao toy ny Tompo Jesosy Kristy.

-Ianao ve mino fa ireo kinovan'ny Baiboly maoderina dia

hitana andraikitra amin'izany Lamina Eran-tany Vaovao izany?

-Heveriko fa tena mety hisy izany, satria arakaraka ny mahamaro ny dikanteny mivoaka

no mahalasa toa malalaka kokoa sy mora eken'ny

besinimaro kokoa azy ireo. Saingy misy dikanteny mahery amin'izao. +.

Ary amin'ireo dikanteny ireo, ankehitriny isika mahita olona manipy dikanteny ho an'izay

gay sy lesbianina, mahita olona manipy dikanteny izay

manala ny mpisolo lahy "he" (izy) na vavy "she" (izy), ary nataony mpisolo zavatra "it" ireo.

ka heveriko fa ireo dikanteny maoderina sy ireo sasany mivoaka izay lasa

malalaka kokoa hatrany dia mamela ireo antokom-pivavahana rehetra arahin'ny olona

isan-karazany sy ireo finoana rehetra hitambatra ho iray ary tsy ho tafintohin'ny

zavatra iray manokana. Miendrika firaisam-pinoana izany. -Marina izany.

-Ka ny firaisam-pinoana dia ampahany tsy afa-misaraka amin'ny farandro.

-Ny Baiboly King James dia mampiasa ny teny "helo" in-.

Izany hoe, rehefa mamaky ny Testamenta Taloha ao amin'ny NIV ianao, dia tsy misy filazana

ny teny "helo" na iray aza. Tsy mamaky ny teny "helo" aza ianao ao amin'ny NIV raha tsy efa tonga amin'ny

bokin'i Matio. Ka izao hono, ireny kinova vaovao ireny dia nosoratana mba

hahamora kokoa ny fahazoana azy ireo. Kanefa, raha anontaniantsika ny olona

eny an-d‡lana hoe inona ny helo, dia ho afaka hiteny amintsika izy ireo hoe ny helo dia toerana iray misy

afo sy fangirifiriana. Io dia toerana iray alehan'ny olona aorian'ny nahafatesany mba hosazina

sy hijaly. Raha anontaniantsika azy ireo ny dikan'ny "sheol",

dia tsy hahafantatra ny ankamaroan'ny olona.

Inona ny dikan'ny teny hoe "sheol"?

-[Shield] Ampinga? Ny ampinga dia midika hoe rakotra fiarovana.

-Teneno indray hoe. -Sheol.

-Inona? Teneno indrayÖ ah tonony tsirairay ny literany.

- S-H-E-OÖTsy azoko antoka ny amin'izay. Tsia.

-Tsia.

-Tsia.

-Tsia, tsy fantatro.

-Tsia.

-Tsia.

-Ah, tsia.

-Tsy fantatro.

- S inona? - S-H-E-O-L: sheol.

-Tsia. Oh, sheol? Tsia.

-Tena tsy ao an-tsaiko fa miala tsiny.

- S-H-E-O-L? Tsy azoko antoka hoe inona. Tsy mbola nahita izany teny izany aho.

-Tsia, tsy dia fandreko izany.

-Izay tokoa. Tsy fandren'ny ankamaroan'ny olona izany teny izany.

Ianao ve mieritreritra hoe ireny teny ireny mora kokoa noho ny teny "helo"?

-Tsia. -Eny ary.

Mino aho fa ny Baiboly King James no tenin'Andriamanitra. Mino aho fa

tsy misy diso io ary mino aho fa ireo kinova hafa izay mivoaka,

fantatrao, ny NIV, ny New American Standard, fa ratsy ireny, fa

avy amin'ny devoly ireny. Ao amin'ny bokinao, toa tsy hitanao akory fa

mety mifono zava-dratsy ny iray amin'ireo fanovana ireo. Ianao toa tsy

mino fa ny devoly mety nanimba ny Tenin'Andriamanitra na mifono teti-dratsy ny

iray amin'ireo fanovana ireo, na ny iray amin'ireo fiovaovan-tsoratra ireo mety asan'ilay zalahy

mitety hoe "Ndeha hovaiko io satria ratsy fanahy aho,

satria tiako hovaina ny Tenin'Andriamanitra."

-Raha ny marina, izaho dia mino fa miaro ny Teniny Andriamanitra.

-Nefa ianao tsy mino fa misy, ary ohatra, ianao mampiasa ny teny hoe

"mpahita teÙrian-tsikombakomba" angamba indroapolo ao amin'ny bokinao, ianao ve mino

fa tsy misy tsikombakomba hanovana ny Tenin'Andriamanitra?

-Tsia, heveriko fa ireo dikantenin'ny Baiboly manontolo dia misy mba hanovana ny Tenin'Andriamanitra.

Nefa miharihary izy ireo; mazava izy ireo.

-Saingy azo heverina ve hoe nisy koa izy ireo tamin'izany fotoan-dasa izany? Raha toa amin'izao misy olona

mamoaka zavatra toy ny New World Translation, izay hita mazava fa

fametavetana ny Tenin'Andriamanitra, manaiky ve ianao?

-Eny ary. Ka raha mametaveta ny Tenin'Andriamanitra amin'ny al‡lan'ny New World Translation ireo olona ireo ankehitriny,

-Ie.

ohatra, dia nametaveta ny Tenin'Andriamanitra izy ireo tamin'ny andron'i Paoly,

nampitandrina momba izany izy, nahoana ary ianao no tsy mino fa nametaveta ny Tenin'Andriamanitra ireo olona

tamin'ny taonjato fahatelo, fahaefatra, taonjato fahavalo, fahasivy?

-Fantatrao fa ny New World Translation dia fametavetana ny Tenin'Andriamanitra.

Mora tsikaritra izany. Ny antony nampiasako ny "teÙrian-tsikombakomba" dia satria ianao mila

manana porofo manamarina ireo zavatra ireo, fa tsy hiteny fotsiny hoe "Toa izao ny fahitako azy"

Hitanao, ny hany toerana ahitana ireo dikanteny diso ao amin'ny New World Translation

dia tena ao koa no misy ireo olana tsy mampifanaraka ny Baibolin'ny Tilikambo Fiambenana sy ny Tract Society

amin'ny Kristianisma ara-Baiboly.

-Tena tsy namaky ny Joba : ao amin'ny New World Translation ianao.

-Nahoana?

-Satria ao amin'ny Joba :, ao amin'ny Baiboly King James dia manao hoe "Azo hanina va

ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin' atody?

Ary ao amin'ny Dikantenin'ny Tontolo Vaovao dia manao hoe "Ary misy tsirony ve ny rano maditidity

azo avy aminíny fiandrilavenombazaha*? [*zavamaniry: marshmallow]

Ka misy zavatra novain-dry zareo izay tsy misy ifandraisany amin'ny

Tilikambo Fiambenana! Azonao? Ka ny teneniko dia hoe misy izanyÖ

-Nianaranao tsianjery izany?

-Moa ve mety misyÖ Ie, nianarako tsianjery.

-Nianaranao tsianjery izany?

Izaho aza tsy mahalala akory hoe misy ranony maditidity ny marshmallow.

-Izany hoe, raha manana New World Translation ianaoÖ

-ÖHahafaly ahy ny hampiseho azy aminao. Fa mino ahy ve aloha ianao?

-Mino anao aho.

-Mba fantatrao moa? Nisy fanontana vaovao nivoaka vao tamin'ny herinandro lasa teo.

-Sahiko ny miloka fa mbola miteny hoe marshmallow izany, fa hozahako.

-Mila mijery aho.

-Fa ny tiako homarihina amin'izay anefa dia ity: ahoana ny momba ireo olona rehetra any ho any,

ary efa naheno an'ity in-tapitrisa ianao, izaho efa naheno an'ity in-tapitrisa, izay

miteny aminao hoe "Andray, feno zava-mifanohitra ny Baiboly"?

-Maheno an'izany foana aho.

-Moa ve mety misy fandaharan'asa hamoronana zava-mifanohitra, natao fotsiny mbaÖ

-Izy ireo tsyÖ

-Ösa hametrahana zavatra bado ao amin'ny Baiboly fotsiny, Ö

-Tsia, tsia, tsia, tsia.

-Öhametrahana fotsiny ao amin'ny Baiboly zavatra mitory habadoana toy ny hoe "Iray taona i Saoly

tamin'izy nanomboka nanjaka?

- Samoela : ao amin'ny kinovan'ny King James manao hoe "Nanjaka herintaona i Saoly; ary rehefa

nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izyÖ" Ao amin'ny English Standard Version, io dia

niova ho "Niaina herintaona i Saoly, avy eo lasa mpanjaka".

- Samoela : ao amin'ny kinova Duway Rhemes taloha, izay Baiboly Katolika:

"Iray taona i Saola tamin'izy tonga mpanjaka,

ary roa taona no nanjakany tamin'Israely."

-Fantatrareo ve ny nolazain'io andininy io antsika teo io? Hoe iray taona i Saoly tamin'izy

lasa mpanjaka. Ity ny olana: Samoela :, "Lava be koa izy, ka tsy nisy nihoatra ny sorony

ny halavaníny olona rehetra." Araka ny English Standard Version,

iray taona izany izy tamin'izy nanana loha sy soroka nihoatra ny lehilahy rehetra.

Ngeza izany zazakely izany.

Mba te-hiteny aminareo fotsiny aho hoe donto ireny Baiboly ireny.

Indraindray aho mivoaka manarato olona ary hoy ny olona amiko hoe "Izaho tsy mino

ny Baiboly satria misy diso ao amin'ny Baiboly."

Ary hoy aho hoe "Asehoy ahy hoe ny diso iray."

Ary mamoaka Baiboly NIV izy ireo. Dia hoy aho: "Aza aseho ahy, afaka mampiseho anao

ny diso ao anatin'iny zavatra iny aho. Afaka mampiseho anao ny zava-mifanohitra ao anatin'iny zavatra iny aho. Asehoy ahy

hoe ny diso iray ao amin'ny Baiboly King James. Tsy hahita ianao."

-Ity misy fanovana iray hafa ataon'ireo kinova maoderina, Galatiana toko fahadimy:

Enga anie ka ho tapaka ny ankasarotan'izy ireo."

Hoy ny NIV hoe "Enga anie ka ireo mitady hampivadika anareo ireo

mihitsy no hovosirina!

Dia izao, izany ve ohatry ny zavatra ampianarin'ny Baiboly ka tenenin'ny apostoly Paoly?

Ary hoy ianareo hoe "An an an, heveriko fa tsy izany no tian-dry zareo hotenenina

ao amin'ny NIV." Ka izay anie no nahatonga ny Common English Bible nandika an'io hoe

"Enga anie hamositra ny tenany ireo olona manafintohina anareo!"

Na ahoana ny momba ny Contemporary English Version, ny CEV? Ity iray ity dia hitako namidy

tao amina fivarontam-boky Kristianina. "Enga anie izay rehetra manafintohina anareo

tsy vitan'ny hoe voafora fotsiny, fa hanapaka misimisy kokoa!"

Hoy aho hoe: mihaino an'ity ve ianareo? satria io voambolana "manapaka" io dia tsy misy

ifandraisany amin'ny hoe vosirina na esorina ny filahiany na ianao mikapa ny tenanao.

Paoly eto dia miresaka an'ireo soratraa o amin'ny Testamenta Taloha momba ireo olona izay

tsy nankatÚ ny Tenin'Andriamanitra, fa ho tapahina ny fifandraisana amin'izy ireo. Jereo, izaho tsy manam-potoana

hampisehoako aminareo ireo santionany rehetra zato mahery amin'io. Ny hany lazainy dia hoe mila

roasinareo izy ireo, maniry ny handroahana azy ireo izy, maniry ny

hamongoran'Andriamanitra azy ireo izy. Izay no dikan'ny "manapaka" eto. Na ry zareo

fongorin'Andriamanitra na "manapaka" mety midika hoe mila roasina tao amin'ny

fiangonana izy ireo, roasina tao amin'ny antenimiera, roasina tao amin'ny firenen'i

Israely. Izay ilay voambolana hoe "manapaka", fa ireo olona hafahafa ireo mihataka amin'ireo

kinova maoderinany manao ny tenin'ny apostoly Paoly hoe "Tiako ery, nama, raha mba

mamositra tena ireo lehilahy ireo. Satriko ery raha mba manala ny filahiany izy ireo. Satriko ery

raha mikapa ny tenany izy ireo." Ny tiako hotenenina, tsy izay velively ny nampianariny.

Tena hafahafa tokoa.

Ireo dikanteny vaovao ireo dia tsy vitan'ny hoe misy zavatr'adala be dia be mahatonga

ny Baiboly ho toa fokafoka, fa mbola manana fandaharan'asa tena miavaka koa izy ireo hanomanana ny olona

handray ilay Lamina Eran-tany Vaovao. Ary ampahan'izany fanomanana izany ny mandresy lahatra ireo

Kristianina hankatÚ ny fanjakana n'inona n'inona mitranga. Ilay andalan-tsoratra manan-danja izay

nosimbain-dry zareo dia ny Romana .

-Afaka manandevo ny tenako aho. Afaka mamoy ny fahafahako aho. Olon-afaka aho

saingy afaka manaiky ny fahefan'ny fanjakan'ny fireneko. Na ireo

fanjakana ratsy aza dia manao asan'Andriamanitra amin'ny fitandroana fahalemana na sarintsarina aza eny an-d‡lambe.

na ny fanjakan'ny Firaisana Sovietika nentin'i Staline aza dia nanao asan'Andriamanitra.

Na i Sina nentin'i Mao Ze Dong aza dia nanao asan'Andriamanitra. Hajao ny mpanjaka. Ataovy na izany aza

na mendrika izany ny mpanjaka na tsia. Hajao ny governoranareo; hajao ny

ben'ny tan‡nanareo, na mendrika izany izy ireo na tsia. Hajao ny mpanjaka.

-Tsisy olona afaka hanana fitaovam-piadiana. Halainay ny fitaovam-piadiana rehetra.

[Mandondona mafy]

-Ankehitriny any Nouvelles-OrlÈans, lasa nihahenjana izahay amin'ireo tsy laitra akisoka.

-Sokajin-draharahan'ny polisy! Ao an-trano ve ianao?

-Tsy ireo faritra voan'ny tondra-drano ihany, fa ao koa ireo faritra

maina indrindra sy manan-karena indrindra manodinina an'i Nouvelles-OrlÈans.

-Kanefa fihazonana basin'olona mihitsy iny nitranga nandritra ny fotoan'ny vonjy taitra taorian'ny

nandalovan'ny rivo-doza Katrina tany Nouvelles-OrlÈans iny. Tonga tao koa ny tafika Amerikanina.

Zava-dehibe ny fampitoniana ny tahotry ny vahoaka sy ny fanasaziana fifandirana, ary izany

no niarahan'ny Clergy Response Team [ekipa fanoinan'ny mpitondra fiangonana], araka ny iantsoana azy,

namita tany Nouvelles-OrlÈans.

-Ny zavatra voalohany teneninay amin'ny tsirairay dia hoe "Andao hiara-hiasa sy

hanao izay hamitana an'ity, avy eo isika mamaha ireo fifanolanana

rehefa tafavoaka amin'ity kirizy ity."

-Ireo ekipa fanoinan'ny mpitondra fiangonana toa izany dia nila nilalao antsy roa lela

teo anelanelan'ny filan'ny fanjakana sy ny fanirian'ny vahoaka.

Ho an'ny mpitondra fiangonana, ny iray amin'ireo fitaovana lehibe indrindra hananan'izy ireo hanampiany amin'ny

fampitoniana ny vahoaka mba hilamina na hankatÚ ny lal‡na dia tsy inona fa ny Baiboly, indrindra ny Romana .

-Satria ny fanjakana dia napetraky ny Tompo. Ary izany no inoantsika

amin'ny finoana Kristianina; izay no voalaza ao amin'ny Soratra Masina.

-Saingy aoka aloha. Ahoana raha tonga dia mankao an-tranoko ny polisy iray ary miteny hoe

"Sasao ny fiarako, ry andevo"? Moa ve ny Baiboly mitaky ahy hankatÚ izany baiko izany?"

Eny ary, ahoana raha misy polisy iray maniraka ahy hanao zavatra tsy ara-d‡lana? Izany hoe ahoana raha

manatona ahy ny polisy iray ary miteny hoe "Mba fantatrao moa? Tiako hihanika ny fefy ianao

hankao an-tokotanin'ny mpifanila trano aminao ary tiako hanarangarana eo am-baravarankeliny ianao ary

hijery izay ataon'ny mpifanila trano aminao. Tiako hotsikilovinao ho ahy ny mpifanila trano aminao"?

Hoy aho hoe mila mankatÚ izany baiko izany ve aho? Hoy ianareo "Ohatra bado be no fidinao."

Marina izany. Satria tsy mbola nisy fanjakana teto any ho any ka nibaiko

olona hitsikilo ny mpifanila trano aminy na hafa. Tsy mbola nisy an'izany. Sa tsy marina izany?

Tsy misy an'izany Alemaina Nazi izany; tsy misy an'izany Firaisana Sovietika

izany; akombÚny fotsiny ny vava ary ataovy izay ampanaovina anao. Romana dia andalana iray izay

manazava amintsika fa ny tanjon'ny fanjakana dia ny hanasazy ny mpanao ratsy, fa tsy ny handidy

ny lafiny tsirairay amin'ny fiainantsika sy hiteny amintsika izay mila ataontsika ary hifehy ny fiainantsika. Nefa koa

zava-dehibe ampianarin'ny Romana dia hoe isika dia natao hankatÚ ireo hery ambony kokoa.

Ka, ohatra, eto Etazonia isika manana ambaratongam-panjakana isan-karazany, sa tsy izany?

Izao ary, inona ny lal‡na tampon'ny tanintsika? Voalohany indrindra, ny lal‡nan'Andriamanitra.

Voalohany, mankatÚ an'Andriamanitra isika. Aorian'izay ny lal‡m-panorenan'i Etazonia

satria ny lal‡m-panorenan'i Etazonia no lal‡na tampon'ny tanintsika.

Hoy ianareo hoe "Ny Baiboly miteny hoe hajao ny mpanjaka, noho izany mila mankatÚ

an'i Obama isika." Saingy aoka aloha. I Obama ve no mpanjaka? Miasa toy ny fanjakan'andriana tokana ve

ny fanjakantsika? Ary izaho nihevitra hoe isika manana mpitondra fanjakana fidina izay tompon'antoka

eo anatrehan'ny vahoaka sy tsy ambonin'ny lal‡na ary ny lal‡na tampon'ny tanintsika

dia ny lal‡m-panorenan'i Etazonia. ka raha toa isika ka hankatÚ ny fanjakana izay

natsangana hitondra antsika, raha mila mankatÚ ny lal‡nan'ny tanintsika isika, midika izany fa isika dia

antenaina hankatÚ ny lal‡m-panorenana. Ny NIV dia manala tanteraka an'izay

fampianarana izay. Ny NIV tsy mampianatra anao hiaraka amin'ny hery ambony kokoa, fa milaza fotsiny hoe: "Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana".

Ka raha toa ka tokony hilaza hoe, fantatrareo, "Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana ambony.

Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy aminíAndriamanitra; fa izay misy dia

voatendriníAndriamanitra", izay miresaka fotsiny ilay hoe ny olona eto ambonin'ity tany ity dia tsy misy afaka manana

fahefana ara-dal‡na afa-tsy avy amin'Andriamanitra. Maninona no mankatÚ ny ray aman-dreniny ny ankizy?

Satria Andriamanitra niteny izany. Maninona no mankatÚ fanjakan'olombelona mihitsy aza isika? Maninona no

manaja fanjakan'olombelona isika? Satria Andriamanitra niteny tamintsika fa ny

fanjakan'olombelona dia zavatra ilaintsika mba hanasaziana ireo mpanao ratsy, hiarovana ny

tsy manan-tsiny amin'izay mikasa hanao ny tsy mety aminy. Ity ny New Living Translation

ao amin'ny Romana :. "Ny tsirairay dia tsy maintsy manaiky ireo manam-pahefana mpitondra. Satria ny fahefana dia

avy amin'Andrialanitra", araho tsara ity, "napetrakíAndriamanitra

eo aminíny toerany avy ny manam-pahefana." Ka izao, tsy marina izany. Ny New Living Translation dia

milaza fa ny manam-pahefana tsirairay dia napetrakíAndriamanitra eo aminíny toerany avy.

Tsy marina izany, satria indray andro ny antikristy ho avy hapetrak'i

Satana eo amin'ny toeran'ny manam-pahefana. " ilay dragona nanome azy Öfahefana", hoy ny

Apokalypsy . Ary tsy izay ihany, fa ao amin'ny Hosea [:] koa, manao hoe "Ireny dia nanangana mpanjaka

nefa tsy avy tamiko". Nisy fotoana nametrahan'ny olombelona fahefan'olombelona

teo tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra. Ary, arak'izany, ny New Living

Translation dia milaza ao amin'ny andininy , "Noho izany antony izany ihany koa, dia aloavy ny hetranareo,

fa mila omena karama ireo mpiasam-panjakana. Manompo aníAndriamanitra izy ireo amin'izay ataony.

Aloavy aminíizy rehetra ‡ry izay tokony ho azy avy: Ny hetra ho aníizay mitaky hetra, ny haba"

ho aníizay mitaky haba". Tafandria mandry! Tsy hetra fotsiny intsony fa ao koa ny haba,

ary ireo no tena ratsy indrindra. Ny kinovan'ny King James miteny aminao hanaiky ny fanjakana

amin'ny toe-javatra voafetra, amin'ny lafiny sasany amin'ny asan'izy ireo, izay

adidy natao hotontosainy, ary koa, ny volavolan-kevitra manontolo momba ny hery ambony kokoa dia

misy fanamarinan-javatra sy fandanjalanjana.

-Nahoana ny New King James tsy nobitsihin'ny Fanahy Masina? Satria io mampiasa ilay horonam-boky sora-t‡nana mitovy ihany.

-Tsy nobitsihiny izy. Ary misy toerana maro tsy itovian'ny New King James

amin'ny Textus Receptus sy ny lazain'ny Baiboly King James.

-Tsy ao amin'ny Testamenta Vaovao.

-Ao, raha ny marina.

Raha ny marina, misy toerana be dia be tsy itoviany amin'ny TR [Textus Receptus].

-Ny New King James dia mety iray amin'ireo kinova farany mampidi-doza misy

satria io dia mitarika anao hihevitra hoe "Hay mitovy amin'ny King James ihany ity, fa kinova

maoderina kokoa fotsiny, teny nohavaozina fotsiny." Raha izany fotsiny ihany io, dia tsy ho niresaka azy akory aho.

-Satria be dia be ny olona tsy te-hikasika ny NIV mihitsy na amin'ny tendron'ny kakazo folo metatra aza,

izy ireo tsy te-hikasika ny ESV mihitsy na amin'ny tendron'ny kakazo folo metatra aza,

fa hoy izy ireo hoe "Aoka re, Pastor Anderson an, ny New King James? Io dia mitovitovy

amin'ny King James ihany. Fa izy fotsiny nanala ireo "thee" (anao) sy "thou" (ianao).

Mitovy tsisy valaka amin'ny Mpanjaka James io afa-tsy hoe izy mora azo kokoa."

Eny ary. Ao ianareo homeko statistika vitsivitsy momba ny New King James. Ny New King James

dia manala in- ny teny hoe "Tompo". Esoriny in- ny teny hoe "Andriamanitra".

Esoriny in- ny teny hoe "lanitra". Esoriny in- ny teny hoe "mibebaka".

Esoriny in- ny ra. Esoriny in- ny teny hoe "helo". Ary

esoriny tanteraka ny teny hoe "Jehovah", esoriny tanteraka ny teny hoe "fanamelohana",

esoriny tanteraka ny voambolana hoe "Testamenta Vaovao", esoriny tanteraka ny teny hoe

"devoly". Tsy lany daty ny Baiboly; mila mahiratra kely fotsiny ianao. Mila

mandinika Baiboly kely ianao. Mila mianatra ilay tenim-pirenena ianao. Ary mampihomehy ny fomba

ahazoan'ireo zanako mbola kely azy, ianareo olon-dehibe nefa tsy mahazo azy?

Ary moa ve tsy mampihomehy fa ireo olona miteny hoe sarotra loatra ny King James ireo

ihany no miteny aminao hoe mila mianatra teny Grika ianao raha ka tena te-hahalala

izay lazain'ny Baiboly? Ie, ho mora azo tokoa izany.

Ny King James aza efa sarotra loatra aminao, koa vao maika ny Testamenta Vaovao Grika."

Tsy misaina ireny olona ireny.

Ka, ndao hizaha andininy vitsivitsy ary hijery hoe iza no mora azo kokoa.

Ny King James nampiasa teny sarotra be momba ny karazan-kazo iray, dia ny "oaka".

Ka ny New King James nieritreritra hoe "Dray dray, diso sarotra loatra izany. 'Oaka'?

Marina hoe?" Novain-dry zareo io dia lasa hoe "hazo tÈrÈbinthe". Moramora kokoa ny

mahazo an'io, izany? Dia ity, ny Mpitsara : misy andianteny sarotra be ao amin'ny

King James, "mbola niposaka ny masoandro".

Azonareo? Ny tiako hotenenina, io dia saika midika hoe "Hop on Pop" [bokin'ankizy].

"Mbola niposaka ny masoandro". Novain-dry zareo io dia lasa hoe "ny l‡lana niakatra tany Heresa."

"ny l‡lana niakatra tany Heresa."

Samoela :. Ny King James mampiasa teny sarotra be hoe "rarampy". Ka ny New King James

nanova an'io ho "Pima". Ny tiako holazaina, angamba izany tsara

hofantarina amin'ny Scrabble, fa tsy mbola naheno an'izany teny izany aho. Azonareo?

Samuel : mampiasa ity teny sarotra be ity, hoe "hazo". Ka ny New King James

nanapa-kevitra ny hanavao an'io ho "hazo tamariska" amin'izay mora azo kokoa

ny dikany. Samoela :; ny King James miteny hoe "anjomara".

Iza no mahalala ny dikan'io?

Karazana tandroka io, tsy izany? Karazana trompetra.

Ka nanapa-kevitra izy ireo hampiasa ny teny mora kokoa hoe "sistrums".

"Sistrums". Satria mahalala ny dikan'ny "sistrums" daholo ny olona.

Iza no mahalala ny dikan'ny "sistrums"?

Iza no mahalala ny dikan'ny "anjomara"?

Io ary 'lay lazaiko.

Isaia : nampiasa ny teny sarotra hoe "olombelona" ao amin'ny Baibolinao King James.

Hoy aho, tsara mandry! Apetraho any amin'ny tranom-bakoka izay toerany ny King James. "olombelona"?

Omeo zavatra takatry ny saiko aho. "Mortel" no tsara kokoa, izany?

Daniela : nampiasa teny tena sarotra "solo-mpanjaka", ary ry zareo nampiasa teny mora ao amin'ny

New King James hoe "satrap".

"Antoko"?

"Antoko" ao amin'ny King James; diso sarotra loatra izany. Ndao ovaina hoe "rezimanta".

Eny ary, ary tsisy olona hahazo ny dikan'ny hoe "fasika mandrevo". Efa ntaolo loatra io.

"Fasika mandrevo" ao amin'ny Asan'ny Apostoly :? "Fasika Syrtisy" no mora lavitra kokoa ny

mahazo azy. Tsara aminao ny mahazo New King James. Mora azo kokoa ny lazainy.

Tena mora azo kokoa tahak'izany tokoa ve ny New King James mitaha amin'ny King James?

Ny tiako hotenenina, misy ohatra be dia be ahitana fa mora lavitra kokoa ny King James. Ary tsy

lisitr'izy manontolo izany, fa ohatra maromaro fotsiny. Ka, tena tsy misy

ifandraisany amin'ny fanaovana azy ho mora azo kokoa; fa misy ifandraisany fotsiny amin'ny

fanovana azy, fanimbana azy, fanolakolahana azy, fametavetana azy. Ny hany mba zavatra

tena azon-dry zareo tondroina sy tenenina dia hoe "Teto no nanaovanay azy ho mora lavitra kokoa", sy hoe

nanala ireo "thee" (anao) sy "thou" (ianao), kanefa mila manana an'ireo

"thee" sy "thou" ireo ianao satria ny "thee" sy ny "thou" dia mpisolo olona tokana ary

ny "you, yee, your" mpisolo olona maro. Ireo manomboka amin'ny TH dia mpisolo olona tokana;

ary ireo manomboka amin'ny Y dia mpisolo olona maro. Misy fiantraikany amin'ny dikanteny io satria matetika ianao

tsy manana fomba hafa hahalalana na olona tokana na vodrona iray manontolo no resahiny

raha tsy hoe manana ireo "thee" sy "thou" ianao hilaza izany aminao.

Zava-dehibe io. Zava-dehibe izaitsizy io. Saingy mamel‡ ahy hampiseho fotsiny aminareo ny fanovana

tsangan-kevitra vitsivitsy ataon'ny New King James izay mametaveta tsangan-kevitra.

Mankanesa ao amin'ny Korintiana :.

-"Fa ny fitoriana ny hazofijaliana dia fahadalana aminíizay very, fa

heriníAndriamanitra amintsika izay voavonjy."

-Rahalahy Garrett, mba vakio tsara sy mafy ho ahy izany ao amin'ny New King James.

-"Fa aminíizay ho ringana, dia hadalana ny teny momba ny hazo fijaliana,

fa amintsika izay vonjena kosa, dia heriníAndriamanitra izany."

-Ka mariho, ao amin'ny King James dia voalaza hoe voavonjy isika. Ao amin'ny New King James

dia voalaza hoe vonjena isika. Fahasamihafana lehibe satria ny famonjena dia tsy

firoso miandalana iray. Ny famonjena dia mitranga amin'ny fotoana iray, ao anatin'ny indray mipy maso, isika

mino an'i Kristy, ary alefa avy amin'ny fahafatesana mankany amin'ny fiainana. Tsy firoso miandalana izany.

Tsy eo an-d‡lana hovonjena aho; efa voavonjy aho!

-Amen!

- Korintiana : manao hoe "Fa hanitríi Kristy ho aníAndriamanitra izahay

aminíizay voavonjy sy izay very".

Mba vakio ho ahy io ao amin'ny New King James.

-"Fa aminíAndriamanitra, dia hanitríi Kristy eo aminíireo hovonjena

sy eo aminíireo ho ringana isika."

-Io indray ary, tsy hoe izay voavonjy, fa izay eo an-d‡lana

hovonjena, toy ny hoe firoso miandalana io.

Matio : ohatra, ao amin'ny New King James manao hoe "Sarotra ny l‡lana

mankany aminíny fiainana, ka vitsy no mahita azy." Ny King James manao hoe

"tery" miresaka ny hamaron'ny olona mankany, miresaka ny zava-mitranga hoe

vitsy no voavonjy. Ny New King James miteny hoe sarotra io.

Ka izao, raha amin'ny al‡lan'ny asa dia mety sarotra.

-New Living Translation manao hoe "Fa tery be ny vavahady mankany amin'ny fiainana ary

sarotra ny l‡lana ka vitsy ihany no mahita azy". Ny English Standard Version

manao hoe "Fa tery ny vavahady ary sarotra ny l‡lana mankany amin'ny fiainana ka

ny mahita azy dia vitsy". Ary hiteny izao ianao hoe "Pasitera Jimenez, fa inona

no olana amin'izany? Mahitsy, tery? Tery, sarotra? Sarotra, mafy?

Inona no olana amin'izany?" Ity no olana: sarotra ve ny mahavoavonjy?

-Hey, Jesosy nanao ny ampahany sarotra. Ahoana no mahasoratra ny manaiky fanomezana? Ahoana no mahasoratra ny

manala hetaheta amin'ny rano? Ahoana no mahasoratra ny mandingana varavarana? Ahoana no mahasoratra ny

mihinana tapa-mofo? Ireo no zavatra nampitahain'i Jesosy amin'ny famonjena

satria mora ny mahavoavonjy satria tsy mila mianika ambaratonga ianao hahatongavanao any

an-danitra. Fantatrareo ve ny fomba ilazana ny famonjena ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny bokin'ny

Hebreo? Fialan-tsasatra.

Jereo, sarotra ve ny fialan-tsasatra?

Aza manaiky ho voafitak'ireny kinova maoderina ireny. Mety ho azon'ny fakam-panahy ianareo indray andro any hoe:

"O, hitanao, ity fiangonana ity dia mampiasa ny New King James, dia maninona?

Olana be izany.

Heverinao ve fa mila Baiboly Anglisy samihafa isika?

-Tsia. Raha ny marina, nambarako hoe manana tafahoatra isika. Tsy mila ampiana intsony ireo.

Izaho dia tsy mihevitra hoe misy antony tsara nahatonga ny fitosahan'izy ireny

nandritra izay tafolo taona maro lasa izay. Fantatro ny antony.

-Marina izany.

-Tsotra kely. Satria raha manana trano fanontam-boky ianao ary

te-hanao Baiboly fianarana na zavatra hafa, izaho tsy mpakafy Baiboly fianarana,

-Na izaho koa.

-Ny nataon-dry zareo dia raha trano fanontam-boky lehibe ianao, ianao tsy

te-handoa redevansy amin'ny olona hafa, ka izy rehetra tompony ihany no manao ny dikanteniny avy.

-Marina izany. Misy vola ao, izay no mampazoto azy ireo hamoaka

an'ireny kinova samihafa rehetra ireny.

-Misy. Tsy anontaniana intsony ny momba an'izay.

-Andriamanitra ve manantena ny Kristianina antonony hianatra ilay soratra Grika voalohany?

-Andriamanitra manantena ny Kristianina antonony hampiasa ny filazalazana izay nomena

azy ary isika dia miaina amin'ny vaninandro ananantsika filazalazana be kokoa azontsika ampiasaina

noho ny nananan'ireo taranaka hafa hatrizay ary isika tena mila an'izany mihitsy amin'izao satria

tsy mbola losiferanina kokoa tahak'izao ny fanafihana hatrizay.

-Mahita loza ve ianao, eny ary, satria ity ny finoako momba izany. Heveriko fa raha misy olona

nianatra ny teny Grika Koine sy lasa mahay miteny azy tsara ary afaka mandray ilay soratra sy mamaky azy

tsara, mahafinaritra be izany, nefaÖ

-Ny fahaizana teny Grika kely dia zava-doza.

-Izay mihitsy. Ianao ve tsy mahita loza amin'ny olona iray mianatra mandritra ny enim-bolam-pianarana roa ny

Grikan-kaolejy fianarana Baiboly ary izao, handeha hitsangana izy ireo ary hiteny hoe, ohatry ny hoe, na dia

ny tsy mpomba afa-tsy King James aza hitsangana, izy nahavita enim-bolam--pianarana roa amin'ny Grikan-kaolejy fianarana Baiboly,

ary hitsangana izy ka hiteny hoe "Adray, ireo mpandika tenin'ny King James,

diso ny nandikan-dry zareo an'ity." Ary amin'ny famafan'ny t‡nany fotsiny, hitanao,

fito taonan'ireo manam-pahaizana mahira-tsaina dimampolo nanjavona toy ny tsy teo satria ny azyÖ

-Rehefa zavatra tsara dia mety hisy hanararaotra. Ary ny fahaizana teny Grika kely dia mety ho zava-doza.

Izaho efa naheno toriteny manontolo mifototra amin'ny fitsikerana lahatsoratra ara-pilÙzÙfia tena ratsy be. Azonao? Nefa mamel‡ ahy

hanambara fotsiny fa taona maro lasa izay nisy mpanao asam-pinoana nanatona ahy ary niteny hoe "Hey,

nahita an'ity zavatra ity tamin'ny tsikera iray aho. Mitory ity, nama, saingy mbola tsy naheno olona

niteny an'ity aho. Mahay teny Grika ianao. Mba azonao hamarinina ho ahy ve ity?"

Ka nohamariniko ho azy ilay izy. Tsy marim-pototra ilay izy, fa iray amin'irony zavatra irony fotsiny,

ilay mpitsikera toa mandeha any amin'ny tsy izy. Hitanao inona ny nataony rehefa

nolazaiko azy? Mbola natao toriteny ihany ilay izy.

-Satria toa tsara sy tiany fotsiny hono ilay izy.

-Satria mitory tsara fotsiny hono ilay izy.

-Fanamarihana tsara be fotsiny ilay izy.

-O, nahafinaritra hono ilay izy.

-Tsy mahagaga ahy izany.

-Indrisy fa tsy nahagaga ahy ilay izy.

-Tsisy olona mand‡ ny hoe ireo lahatsoratra voalohany no nobitsihin'ny Fanahy Masina.

[ Peter :] Hoy ny Baiboly hoe "niteny araka izay nitondraníny Fanahy Masina azy

ny olo-masiníAndriamanitra."

Saingy tsy mino izy ireo fa ny ananantsika ankehitriny dia nobitsihin'ny Fanahy Masina satria tsy

mino ny fikajiana ny Baiboly izy ireo, fa hitanareo, hoy ny Baiboly ao amin'ny

Salamo :, "Ny tenin'i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy

ka mitsoriaka amin'ny tany, eny, voadio impito. Ianao Jehovah Ù, no hiaro azy, Ianao no

hiambina azy manomboka amin'ity taranaka ity ka ho mandrakizay." Ary hitanareo, ilay Andriamanitra

nitondra ho antsika ny Teny nobitsihin'ny Fanahy Masina ihany no ilay Andriamanitra hikajy ny

Teny nobitsihin'ny Fanahy Masina. Ary izaho mihevitra fa hadalana ny mieritreritra hoe Andriamanitra dia mahery tsara ka mampiasa

lehilahy mpanota ary maka antoka fa manome antsika lahatsoratra voalohany lafatra, avy eo io Andriamanitra io ihany tsy

afaka mampiasa lehilahy mpanota sy maka antoka fa voakajy io manomboka amin'ity taranaka ity ka ho mandrakizay?

Mino aho fa Andriamanitra dia mahery tsara ka hanome antsika Teny nobitsihin'ny Fanahy Masina ary mino aho fa Andriamanitra dia

mahery tsara ka hikajy ireo Teny nobitsihin'ny Fanahy Masina ireo mihitsy

manomboka amin'ity taranaka ity ka ho mandrakizay.

Izao ary, mamel‡ ahy hanontany anareo an'ity: Ianao ve mino fa ny olona mila mianatra ny teny Hebreo na

Grika na Anglisy koa aza, na tokony, afaka manana Baiboly amin'ny tenim-pirenena rehetra ve izy ireo?

-Tokony manana Baiboly amin'ny tenim-pirenena rehetra izy ireo. Io no antony anohananay

ireo asam-pinoana fandikanteny toy ny Bibles International. Ampiasaina ny Textus Receptus

ary ampiasaina koa ny Baiboly Hebreo mazava ho azy, handikana amin'ireo

tenim-pirenena hafa, ary io no Tenin'Andriamanitra.

Izahay dia mino fa ny vahoaka tsirairay dia tokony hanana Baiboly amin'ny tenim-pireneny

ary ny amin'ny teny Anglisy dia ny Baiboly King James.

-Mamel‡ ahy hamarana ny teniko amin'ny hoe: ny Tenin'Andriamanitra dia nokajina ho antsika amin'ity

taranaka ity. Henoy ny Isaia :. "Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy,

hoy Jehovah: ny fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao

dia tsy hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny taranakao,

na amin'ny vavan'ny taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka

ho mandrakizay, hoy Jehovah." Niteny izy hoe "Jereo, Isaia, ny Teny torinao, ny taranakao

koa dia hitory azy. Ny zanakao sy ny zanak'izy ireo ary ny

zanaka hatramin'izao ka ho mandrakizay dia hitory ireo teny ireo" ary izaho dia mino

fa izany ireto teny eto an-t‡nako amin'izao ora izao ireto. Ary jereo, ireo kinova maoderina

na ny NIV izany, na ny ESV, na ny New Living Translation, na

izany filÙzÙfia izany dia filÙzÙfia miteny fa ny Tenin'Andrimanitra dia tsy

nokajina. Voatery nandeha nihady iray vaovao isika. Voatery nandeha nihady horonam-boky sora-t‡nana

tranainy kokoa isika hamahana ny olana rehetra ao anatin'io. Tsia, izaho dia mino fa

nokajina io nanomboka tamin'ny fotoan'i Kristy mandrakizao. Nampiataina foana foana io ary ilay

ananantsika amin'izao dia kopian'ny kopian'ny kopia izay nampitaina hatrizay.

Be dia be ny olona mino zava-diso fa hoe ny Baiboly King James dia niova rehefa nandeha ny taona

maro, fa ilay fanontana ampiasaintsika ankehitriny dia samihafa tanteraka amin'ilay

, nefa ny marina, ny zavatra tokana niova ao amin'ilay dia ny tsipelina,

ireo sorabaventy, ireo mari-piatoana, ny diso tsipelina vitsivitsy izay nahitsy; fa ireo teny

tsy niova. Ireo teny ananantsika ankehitriny ao amin'ny Baiboly King James dia mitovy tanteraka

amin'ireo teny nomen'ireo mpandika teny antsika tamin'ny .

Tsy niova ireo teny. Nokajina ireo teny,

ary izay no nampanantenain'Andriamanitra hoe hokajiny.

Izy miteny hoe, jereo "Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona."

Izy tsy niteny ireo eritreritra; izy tsy niteny ireo hevitra; izy tsy niteny ny

tsangan-kevitra; fa hoy izy hoe "ny teniko tsy mba ho levona." Ireny kinova vaovao ireny dia avy amin'ny

fiaviana lo ary voankazo lo no vokany. Jereo ny vokatr'ireny kinova

vaovao ireny. Jereo ny niafaran'ireo fiangonana: toerana filalaovana. Jereo ny

niafaran'ireo fiangonana vokatr'ireny kinova maoderina vaovao ireny: feno

olona tsy voavonjy. Feno olona tsy mahalala tsangan-kevitra, tsy miraharaha

tsangan-kevitra, satria raha mamaky boky iray feno zava-mifanohitra ianao,

dia sarotra ny hiraharaha tsangan-kevitra. Fa raha mamaky boky iray izay

lavorary sy madio tsy mitampoka ary voakajy ianao dia, hitanao, jerenao ny teny tsirairay ary

miraharaha tsangan-kevitra ianao ary miraharaha izay lazainy ary miraharaha izay

dikany, fa tsy hoe fotsiny "Ah, ie, ohatry ny azoko ny votoatiny. Jesosy dia maty teo amin'ny

hazo fijaliana. Azoko." Tsy izay fa hoe "Tiako ho fantatra manokana ny tsangan-kevitra tsirairay ananan'Andriamanitra

ho ahy avy amin'ny Tenin'Andriamanitra."

-Hitanareo, hafa ny mikasika an'ity boky ity sy ny mandinika azy. Ary hafa ny mankafy azy

avy lavitra ny momba izay tsy maintsy nosedrain'ireo lehilahy sy vehivavy, ankizy

amin'izay izaho sy ianao afaka mamaky boky antsoina ankehitriny hoe Baiboly tsy matahotra

fanenjehana. Mora ny miteny an'ity tarehimarika ity: olona . no nodorana,

notoraham-bato, naboraka tsinay, fa namaky an'ity boky ity.

-Izaho dia mianatra Baiboly vao maraim-be, na indraindray rehefa takariva, ka mety

mifoha amin'ny : miaraka amin'ny hevitra iray, ary mandeha aho mandinika azy ao amin'ny Soratra Masina.

Ary tsapanao ny hatsarany sy ny zavatra ampitainy, ary dia

mipetraka eo ianao, ny ranomaso mikoriana amin'ny takolakao, satria mankasitraka ny haben'ny zavatra

nomena anao ianao. Ka rehefa mianatra amin'ny Baiboly King James aho dia

matoky tanteraka fa ilay ananako eo an-t‡nako dia Tenin'Andriamanitra hatrany am-boalohany ka

hatrany am-parany ary mitovy io ankehitriny sy izy rehefa afaka adiny iray satria

voakajy io ary mbola izy ihany. Ka matoky aho rehefa manokatra azy sy mitory teny avy

aminy rehefa Alahady sy mampianatra teny avy aminy amin'ny Sekoly Alahady na mijoro vavolombelona amin'ny olona

eny an-d‡lambe, fantatro fa ity no Tenin'Andriamanitra ary isika manantena ny hihaona amin'ilay

tena Teny izy tenany amim-boninahitra hanambara ny

zavatra nianarantsika nandritra ny fiainantsika manontolo.

-Andriamanitra dia tsy mankasitraka an'ireny lehilahy manala andininy, manampy andininy, manampy

zavatra, manala zavatra ireny. Mankanesa ao amin'ny Apokalypsy.

Apokalypsy :: "Fa izaho dia manambara aminíizay rehetra mandre ny teniníny

faminaniana aminíity boky ity: Raha misy manampy ireo zavatra ireo, Andriamanitra hanampy

ireo loza voasoratra eto anatiníity boky ity ho azy". Efa namaky ny bokin'ny

Apokalypsy ve ianareo? Misy loza mahatsiravina be dia be ao amin'io boky io. Niteny Izy hoe Izaho

hanome anao an'ireo loza ireo raha manampy zavatra amin'ny Teniko ianao. Ny Apokalypsy :: "Ary raha misy

manaisotra aminíny teny aminíny bokiníity faminaniana ity, dia hoesoriníAndriamanitra

ny anjarany aminíny bokiníny fiainana sy ny tan‡na masina ary aminíny

zavatra izay voasoratra ao anatiníity boky ity." Nefa ireny lehilahy ireny nanova

ny Tenin'Andriamanitra, ny Baiboly miteny hoe very ny anjara mahavoavonjy azy ireo.

Niteny Izy hoe "Hesoriko". Niteny Izy hoe "Mitovy amin'ny fomba nanesoranao tamin'ny Teniko,

dia hesoriko koa ny anjaranao aminíny bokiníny fiainana." Niteny Izy hoe "Hataoko

azo antoka fa tsy voavonjy ianao satria nilalao ny Baiboliko." Izany amiko dia

toy ny hoe tena miresaka zavatra matotra Andriamanitra momba an'io.

Toy ny hoe, "Eny ary, Pasitera Jimenez, fa manaiky aho. Azoko. Voaloto ireny Baiboly ireny.

Mandoto tsangan-kevitra izy ireo. Ny Baiboly King James dia madio tsy mitampoka. Ny Baiboly King James no

Tenin'Andriamanitra. Azoko. Hataoko ahoana io?"

Raha tsapanao fa Tenin'Andriamanitra ilay eo an-t‡nanao, tsy ireo eritreritr'Andriamanitra,

tsy izay mety nolazainy, tsy izay heverintsika fa nolazainy, fa ireo tena tenin'Andriamanitra,

ary tsy izay fotsiny, fa rehefa manana ireo tenin'Andriamanitra ianao, raha ny marina, dia manana

Andriamanitra, tsy ity boky ity, fa ireto teny ireto, rehefa tsapanao fa manana tenin'Andriamanitra ianao,

Ù rey olona Ù, izay fotsiny dia tokony hanosika antsika hamaky ny Baiboly. Izay fotsiny dia tokony hanosika antsika hiaina

araka ny Baiboly. Ity boky ity dia manana valiny ho an'ny fanontaniana tsirairay amin'ny fiainana.

Hoy ianareo, "Pasitera Jimenez, nankato amin'ny fiangonana Verity Baptist aho; tsy dia hoe hianatra ny momba

ny Baiboly King James no nahatongavako, fa hianatra ny momba ny

famonjena." Mianatra ny momba ny famonjena ao amin'ny Baiboly King James isika.

"Tsy dia hoe hianatra ny momba izany olana izany no nahatongavako, fa ny

hahazoako fanampiana momba ny fanambadiako." Ity boky ity dia hanampy anao amin'ny fanambadianao.

"Tsy dia hoe hianatra hianatra ny momba ny Baiboly King James no nahatongavako, fa ny

hianatra ny fomba hitaizako ny zanako." Ity boky ity dia hanampy anao hitaiza ny zanakao.

Ity dia hamaha ny olanao rehetra. Ity dia hitondra famonjena ho anao. Ity dia hanao

izay rehetra ilainao hataony. Nahoana? Satria ity no Tenin'AndriamanitraÖ

Ö tsy misy diso, tonga lafatra, mitovy tanteraka amin'ny nanomezan'Andriamanitra azy anao.

Ity dia manome ahy fahatokisana hahatsapa fa tonga lafatra ny Tenin'Andriamanitra. Fantatrareo hoe nahoana

no betsaka izaitsizy ny olona tsy mino an'Andriamanitra ankehitriny, tsy mankany am-piangonana, taranaka

tanora maro no mandao fotsiny ny fiangonana amin'andiany ary tsy miverina intsony?

Satria voaloto ireny kinovan'ny Baiboly maoderina ireny, misy diso

ao anatin'ireny, ary ireny no manozongozona ny finoan'izy ireo an'Andriamanitra. Fa tsy

ity iray ity. Ity iray ity dia tonga lafatra. Ny kinova King James no Tenin'Andriamanitra.

Vakio io.

Ianaro io.

Diniho io.

Ianaro tsianjery io.

Miain‡ arak'io.

Torio amin'ny hafa io.

Ndao ary isika hiondrika ary hanao tonom-bavaka iray. Ry Ray malala any an-danitra,

Tompo Ù, tia anao izahay. Misaotra anao noho ny Teninao. Tompo Ù, misaotra anao fa tsy nataonao

niandraikitra ny fikajiana ny Teninao izahay, fa andraikitra

nomenao ny tenanao izany. Nibitsika azy ianao, nikajy azy ianao, ary nanome azy anay

androany. Ray Ù, tia anao izahay. Ampio izahay tsy hiala eto androany ary tonga dia

hamela ity hafatrao ity miditra amin'ny sofina iray ary mivoaka amin'ny ilany. Ampio izahay hahatsapa hoe "Izaho manana

ny Tenin'Andriamanitra; angamba tokony hamaky azy io aho. Angamba tokony handinika azy io aho. Angamba

tokony hiaina azy io aho." Tia anao izahay, Tompo Ù. Amin'ny anaranao sarobidy no ivavahako. Amen.

Misy fanontaniana tiako hapetraka aminao.

Ianao ve mahalala am-pitokiana fa, raha maty androany ianao, dia hankany an-danitra?

Mety hiteny ianao hoe "Tsy azoko antoka na hankany an-danitra aho."

Angamba tsy mbola nieritreritra izany akory aza ianao.

Nefa ny Baiboly milaza hoe afaka matoky % ianao fa eo an-d‡lanao mankany an-danitra ianao.

Dia izao, araka ny Baiboly, ianao dia mila mahatakatra zavatra vitsivitsy amin'izay

afaka mandray ny famonjena. Ny zavatra voalohany dia ity:

Hoy ny Baiboly ao amin'ny Romana :, "Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra

avy amin'Andriamanitra". Ny Baiboly miteny amintsika fa "ny ota no fandikana ny lal‡na." Isika rehefa

mandika ny lal‡nan'Andriamanitra, dia manota. Ary arak'io andininy io, efa samy nanota daholo isika.

Mpanota aho; mpanota ianao.

Ary indrisy fa misy tambiny ny otantsika. Romana : manao aho "Satria

fahafatesana no tambin'ny ota". Dia izao, ny teny hoe "tamby" dia midika fandoavam-bola. Io izany no

karama azonao. Rehefa mandeha miasa aho, dia manome ahy vola ry zareo. Ireo no karamako. Saingy

noho ny otako, dia fahafatesana no karamako. Fahafatesana no azoko. "Satria fahafatesana no

tambin'ny ota". Dia izao, rehefa mieritreritra fahafatesana isika, ny ankamaroan'ny olona mieritreritra fahafatesana ara-nofo,

nefa ny Apokalypsy :- milaza hoe: "Ary ny fahafatesana sy ny helo dia natsipy tany aminíny

farihy afo." (Mantsy ny helo.) Hoy izy hoe "Izany no fahafatesana faharoa;

Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatiníny bokiníny fiainana, dia natsipy tany aminíny

farihy afo izy." Ka, araka ny Baiboly, ny karama raisintsika amin'ny otantsika dia tsy

fahafatesana ara-nofo fotsiny, fa ilay fahafatesana faharoa. Hoy ianao hoe "Inona ilay fahafatesana faharoa?"

Atsipy any amin'ny farihy afo. "Izany no fahafatesana faharoa." Ny azontsika

noho ny otatsika dia fahafatesana: fahafatesana ara-nofo, fahafatesana faharoa, izany hoe

atsipy any amin'ny farihy afo. Ny Apokalypsy : manao hoe "Fa ny kanosa sy

ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpivaro-tena sy

ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampyÖ" Ary izao, lisitra ratsy ihany izany, sa tsy izany?

Mpamono olona, mpivaro-tena, mpanao ody ratsy. Hanaiky ny ankamaroan'ny olona hoe "Mpamono olona?

Ie, tokoa. Hankany amin'ny helo izy ireo." Nefa mariho ny lazainy hoe "Fa ny kanosa,

ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpivaro-tena sy

ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampyÖ" Ary ery amin'ny faran'ny lisitra, dia izao no lazainy:

"ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatiníny farihy mirehitra afo

sy solifara; izany no fahafatesana faharoa." Ary ny antony nanampian'Andriamanitra

an'ilay otan'ny mpandainga amin'ny faran'ilay lisitra, dia satria mba te-hanao fanamarihana Izy, ary

ilay fanamarihana dia ity: mpanota daholo isika. Efa samy nandainga ny olombelona rehetra. Ary mba

te-hiteny Izy eto hoe tsy misy olo-marina; efa nanota avokoa isika; isika rehetra dia mendrika ny hankany

amin'ny helo. Izay izao no vaovao ratsy. Mpanota aho; mpanota ianao, ary isika rehetra dia

efa voaheloka hankany amin'ny helo tamin'ny voalohany, saingy ny evanjely dia vaovao mahafaly na

vaovao tsara. Hoy ny Romana : hoe "Satria fahafatesana no tambin'ny ota". Azontsika ny dikan'io aloha.

Fa ilay tapany faharoa amin'ilay andininy manao hoe, "fa fiainana mandrakizay no fanomezan'Andriamanitra

amin'ny al‡lan'i Jesosy Kristy Tompontsika." Milaza ny Baiboly fa Andriamanitra dia manana

fanomezana tiany homena anao ary izany fanomezana izany dia ny fiainana mandrakizay. Ary izao, ao amin'ny Efesiana :-,

hoy ny Baiboly hoe "Fa fahasoavana no namonjena anareo aminíny finoana". Ny teny hoe "fahasoavana"

dia midika hoe mahazo zavatra tsy mendrika anao. Tsy karama azonao io; tsy novidinao vola io.

"no namonjena anareo", hoy ny lazainy mantsy ny hoe: avotana amin'ny helo,

satria tsy te-hankany aho. Azoko antoka fa tsy te-hankany ianao.

Ny teny hoe "finoana" dia midika hoe mino. Milaza io hoe "Fa fahasoavana no namonjena anareo aminíny finoana;

ary tsy avy aminareo izany". Tsy misy ifandraisany aminao io. Izao no antony:

"fa fanomezaníAndriamanitra: Tsy avy aminíny asa, fandrao hisy olona hirehareha." Ny fanomezana dia

tsy vokatry ny asa nataonao. Ny fanomezana dia zavatra omena anao. Misy olona hafa

nandoa ny takalony, fa tsy ianao no nandoa ny takalony. Raha nanome fanomezana anao aho ary nasaiko nanome

ahy vola takalony ianao, dia tsy fanomezana izany. Raha nanome fanomezana anao aho, nefa

nasaiko nanao zavatra ianao ho takalony, dia tsy fanomezana izany. Ary izao, ilay fanomezana dia tsy

anefanao n'inona n'inona, saingy manefa zavatra ilay olona manome azy anao.

Ary ny fanomezan'Andriamanitra dia mitovy tanteraka amin'izay. Jesosy no tsy maintsy nandoa izany fanomezana izany.

Romana : manao hoe "Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika fa fony mbola

mpanota isika, dia maty ho antsika Kristy." Jaona :, ilay andininy malaza indrindra ao amin'ny

Baiboly, manao hoe "Fa notiavin'Andriamanitra indrindra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany Lahy tokana, mba

tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."

Ny vaovao mahafaly dia izao: Jesosy Kristy dia nateraka vehivavy virijiny. Niaina

fiainana tsisy ota Izy; tsy nanota mihitsy Izy; tsy nanao ratsy mihitsy Izy. Maty teo amin'ny hazo fijaliana Izy,

nalevina Izy. Milaza amintsika ny Baiboly fa nidina tany amin'ny helo ny fanahiny nandritra ny telo andro sy

telo alina, ary nitsangana tamin'ny maty Izy, tsy ho fandoavana ny tambin'ny otany manokana,

satria Izy tsy nanana ota. Maty nandoa ny tambin'ny otantsika Izy. Ary hitanao, efa

voaloa io. Efa voaloa ny takalon'ilay fanomezana. Ary izao, mila takatrao

ity momba ilay fanomezana: Jaona : miteny hoe "fiainana mandrakizay". Ilay fanomezana dia

ny fiainana mandrakizay. Ny teny hoe "mandrakizay" dia midika hoe tsy hanam-pahataperana io. Fiainana izay

haharitra doria. Tsy hisy fiafarany mihitsy. Jaona : manao hoe "fiainana mandrakizay".

"Mandrakizay" midika hoe tsy hisy fiafarany. Jaona : manao hoe "fiainana mandrakizay". Romana :

manao hoe "fiainana mandrakizay". Manerana ny Baiboly dia ahitanao an'ity voambolana ity: fiainana

mandrakizay, fianana mandrakizay doria, fianana tsy manam-pahataperana, fiainana tsy manam-piafarana.

Araka ny Jaona :, vao mino ianao dia mahazo azy. "Izay mino

ny Zanaka manana fiainana mandrakizay". Ary izao, ny olona sasany mieritreritra hoe "Ah, afaka mahazo

famonjena aho, saingy raha vao mahazo azy aho ka manao zavatra ratsy be, toy ny

mijangajanga, mamono olona, mamono tena, dia hesorin'Andriamanitra amiko ny

famonjena." Nefa raha esoriny io, dia tsy naharitra mandrakizay izy izany. Hitanareo, mila

takatry ny saintsika fa ny famonjena dia tsy takalon'ny asantsika, ka hoe vantany azontsika

ilay izy, dia azontsika tazomina. Hoy ny Baiboly ao amin'ny Titosy :, "Aminíny fanantenana ny

fiainana mandrakizay, izay nampanantenainíAndriamanitra tsy mahay mandainga, talohaníny niandohaníizao tontolo izao".

Hitanareo, ny fanantenantsika fiainana mandrakizay dia ity: Andriamanitra tsy mahay mandainga. Raha nampanantena ahy fiainana

mandrakizay Andriamanitra, dia vinanio hoe. Fianana mandrakizay izany. Nampanantena ahy

fiainana mandrakizay Izy, avy eo tsy hanam-pahataperana io. Hoy ianao "Ka ahoana raha manao zavatra

ratsy be aho?" An an, tsy avy amintsika io. Tsy misy idirany amin'ny zavatra ataoko io.

Fanomezana haharitra mandrakizay io. Ary izao, ity no hany mila ataonao:

Tahaka ny fanomezana hafa rehetra, dia manan-tsafidy ianao na hanaiky azy

na hand‡ azy. Mety hanontany iano hoe "Ahoana ny fomba anekeko ny fanomezan'Andriamanitra?" Romana :

milaza an'ity: "Satria rahaÖ" Ka izao, miteny io hoe "raha" satria manana

safidy ianao. Hoy Izy hoe "Satria raha manaiky an'i Jesosy Tompo amin'ny vavanao ianaoÖ"

Ny teny hoe "manaiky" dia midika hoe mitsotra. Hoy ianao "Inona no tsoriko?" Tsy inona fa ianao

mitsotra hoe mpanota ianao. Mitsotra ianao fa mendrika ny hankany amin'ny

helo. Saingy ianao mangataka famelan-keloka. Hoy Izy "Satria raha manaiky an'i

Jesosy Tompo amin' ny vavanao ianaoÖ" Saingy bebe kokoa noho ny manonona teny fotsiny izany. Hoy koa Izy hoe

"Öary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny matyÖ

Mino ianao fa Jesosy Kristy dia maty teo amin'ny hazo fijaliana, nalevina,

ary nitsangana tamin'ny maty ho fanefana ny tambin'ny otanao. Hoy Izy "Satria raha

manaiky an'i Jesosy Tompo amin'ny vavanao ianao, ary mino amin'ny fonao fa

Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty," hoy ny Baiboly hoe "dia hovonjena ianao."

Io tsy milaza hoe mety ho voavonjy ianao. Io tsy milaza hoe antenaina ho voavonjy ianao.

Andriamanitra miteny hoe "Hovonjeko ianao raha manaiky amin'ny vavanao sy mino amin'ny

fonao". Mariho fa tsy mila mankany am-piangonana ianao. Io tsy milaza hoe mila

atao batisa ianao. Io tsy milaza hoe mila mibebaka ianao. Io tsy milaza hoe mila

manao zavatra ianao; fa mino fotsiny ary mangataka azy hamonjy anao. Raha mino izany

amin'ny fonao ianao, raha mino ianao fa Jesosy Kristy maty teo amin'ny hazo fijaliana noho ny otanao,

nalevina, nitsangana tamin'ny maty, dia te-hanome fanomezana anao Izy, dia ny

fiainana mandrakizay, ka nahoana ianao no tsy manaiky fotsiny amin'ny vavanao izao dia izao?

Te-hanampy anao hanao vavaka iray aho. Raha mino izany ianao, maninona ianao no tsy

mivavaka fotsiny miaraka amiko izao dia izao:

Raha toa ianao ka nanao izay vavaka izay ary nino tamin'ny fonao, araka ny voalazan'ny

Baiboly, dia voavonjy ianao izao. Manana fiainana mandrakizay ianao. Arahabaina!

 

 

 







mouseover