"Mizotra mankany Ziona" - sarimihetsika tranofiara amin'ny teny Malagasy

Video

April 11, 2015

4000 taona lasa izay, niseho tamin'i Abrama tao Mezopotamia Andriamanitra ary niteny taminy hoe "Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho." Nanaiky ny tenin'ny Tompo i Abrama ary nankany Kanana, ilay tany nampanantenaina, ary nonina tao niaraka tamin'i Isaaka zanany sy i Jakoba zafikeliny izay lasa "Israely" ny anarany taty aoriana.

Nidina nankany Ejipta i Israely sy ireo zanany lahy 12 noho ny mosary nanjo ny tany Kanana ary rehefa tao izy ireo dia nitombo lasa firenena goavambe. Nahatsiaro ambanan-doza ireo Ejipsianina nanoloana ilay firenena Israely matanjaka niara-nonina taminy, ka nandevoziny izy ireo ary nataony nangidy tamin'ny fanompoana mafy ny fiainan'izy ireo. Afaka 430 taona tao Ejipta dia notarihin'i Mosesy hiala tamin'ny fanompoana izy ireo, avy eo niampita ny Ranomasina Mena ary nankany Arabia, rehefa tao izy ireo dia nahazo ny lalànan'Andriamanitra tao amin'ny Tendrombohitra Sinai.

Ny taranaka Israelita izay nandao an'i Ejipta niaraka tamin'i Mosesy dia tsy navela hiditra tao amin'ny tany nampanantenaina noho ny tsy fahampian'ny finoany an'Andriamanitra. Noterena hirenireny tany an'efitra nandritra ny 40 taona izy ireo mandra-pitsangan'ny taranaka vaovao iray izay natoky ny Tompo ary niditra tao amin'ny tany nampanantenaina niaraka tamin'i Josoa.

Nandritra ny 400 taona teo ho eo, ireo fokon'i Israely 12 dia nofehezin'ireo Mpitsara araka ny lalànan'i Mosesy. Rehefa naniry hanana mpanjaka toy ny firenena hafa rehetra izy ireo dia notendren'Andriamanitra ho mpanjakan'izy ireo i Saoly izy nanjaka nandritra ny 40 taona, narahin'ny Mpanjaka Davida izay nanjaka nandritra ny 40 taona ary ny zanak'i Davida, i Solomona, izay nanjaka nandritra ny 40 taona. Nandritra ny nanjakan'i Solomona, ny fanjakan'i Israely dia tao anatin'ny fotoana nampiroborobo azy indrindra, ary naorina ny tempoly voalohany, nefa satria ny fon'i So lomona nihodina tamin'ny Tompo nandritra ny fahanterany, niteny taminy Andriamanitra fa ny 10 amin'ireo foko dia tsy hanjakan'ny zanany lahy.

Taorian'ny nahafatesan'i Solomona dia nozaraina ny fankajan'i Israely, ary ireo foko 10 tavaratra nentin'ny mpanjaka ratsy fanahy nifanesy, izay tsy taranak'i Davida sy i Solomona. Io Fanjakana Tavaratra io dia nitana ny anarana Israely ary nony ela dia Samaria no renivohiny. Lasa fantatra tamin'ny anarana hoe Joda ilay Fanjakana Tatsimo kely kokoa, Jerosalema no renivohiny, ary nanjaka tao ireo taranak'i Davida. Manomboka ao amin'ny 2 Mpanjaka 16, ny olon'ny Fanjakana Tatsimo dia lasa fantatra amin'ny fiantsoana hoe "Jiosy" avy amin'ny anaran'ny fanjakan'i Joda.

Nohon'ny haratsiam-panahin'ny olon'ny Fanj akana Tavaratr'i Israely dia voaongana izy ireo ary nentin'ireo Asyrianina ho babo. Ireo Israelita tafajanona dia lasa niharoharo tamin'ireo firenena mpanaraka finoan-drazana izay nankao amin'ny taniny sy nanjanaka azy. Ireo olona ireo no lasa fantatra amin'ny fiantsoana hoe Samaritana, ary tsy firenena iray intsony ireo foko 10 tamin'ny Israely Tavaratra.

Ary nony ela dia nentina ho babo tany Babylona ny olon'ny Fanjakana Tatsimon'i Joda ho fanasaziana azy ireo noho ny fanompoana andriamanitra hafa, ary simba ny tempoly taorian'izay, saingy rehefa afaka 70 taona dia niverina tao Joda ireo Jiosy, nanorina ny tempoly tao Jerosalema ary nentin'ny mpanjaka taranak'i Davida indray.

Tamin'ny andron'i Kristy, ny firenen'i Joda dia lasa fantatra tamin'ny fiantsoana hoe Jodia ary teo ambany fitondrana romana. Nitory ny Filazantsara eran'i Jodia i Jesosy Kristy sy ireo mpianany nitady ireo ondry tao an-tranon'i Israely izay very. Afaka 3 taona sy tapany nitoriana teny dia nandà an'i Jesosy tsy ho Mesiany ny Jiosy ary nandresy lahatra ny governora romana hamantsika azy amin'ny hazo fijaliana. 3 andro taorian'io dia nitsangana tamin'ny maty indray Izy ary niseho velona tamin'ny mpianany talohan'ny niakarany hitoetra eo an-kavanan'ny Ray any an-danitra.

Fotoana fohy talohan'ny namantsihana an'i Jesosy dia naminany Izy fa ho sazin'ny fandavana Azy dia ho may i Jerosalema, ho simba ny tempoly ary hentina ho babo any amin'ny firenena rehetra ny Jiosy. Tanteraka io faminaniana io 70 taona taorian'i Kristy rehefa nandresy an'i Jerosalema ny emperora romana Titosy. Nandritra ny 1800 taona dia nijanona niely eran'ny firenena rehetra ny Jiosy.

Avy eo tamin'ny 1948, nitranga ny tsy noheverina hisy. Voaorina ny Fanjakan'i Israely, ary tompon'ny tany nampanantenaina indray ny Jiosy. Maro ny Kristianina nanambara fa fahagagana sy fahasoavana avy amin'Andriamanitra io, nefa tena fahasoavan'ny Tompo tokoa ve io, sa asan'ny hery maizina kokoa? Ato amin'ity horonantsary ity ny valiny.

 

 

 

mouseover